eny amin’ny Rond point Bani Ivato voakasik’ilay tetikasa Lac Iarivo. Mialohan’ny asa fandrodanana anefa dia hidina ifotony ireo teknisiana hanao fanadihadiana mikasika izany ka ho an’ireo tena tsy maintsy hiharan’izany dia hatsangana ao amin’ny Immeuble Ivato ny ivon-toerana hahafahan’izy ireo mitondra fitarainana. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanana vaovao tamin’ireo mponina voakasik’ity tetikasa ity omaly Alakamisy 13 Martsa folakandro teny Ivato teny. Mandritra izany hoy ity tompon’andraiki-panjakana ity no hamaritana izay azo hanampiana ireo olona rava trano tsy manana tany intsony toy ny mety ho fanomezana trano sy tany azy ao anatin’ilay tetikasa Miarina ohatra hahafahany mivelona amin’ny asa fambolena sy fiompiana….Na izany aza dia fantatra fa tsy nahafa-po ny mponina ny fihaonana. Ho azy ireo mantsy dia ny familiana ilay tetikasa any amin’ny base millitaire ihany no tena vahaolana hanaovana ilay lalana lalan-jotra miisa 4 fa tsy fandrodanana. Na izany aza dia nisaotra ity tompon’andraikitra ity izy ireo nanaiky nihaona taminy taorian’ny fitokanana fanairana nataony ny herinandro lasa teo.
Pati
Legende : Mbola mangataka hatrany ny tsy handrodanana ny tranony ny mponina ao Ivato voakasik’ilay tetikasa !
Ny nosy Maorisy dia nitaky ny hamerenana amin’izy ireo ny nosy Chagos
Tafintohina amin’ny fanambarana nataon’ny Governemanta frantsay, tamin’ny alalan’ny Minisitra lefitra
Ny APIPA na Sampan-draharaha fiarovana amin’ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo
Anisan’ny fitaovana tena ilaina amin’ny resaka famonjena voina ny « drone ».
Nisy ny sabotsy teo, tetsy Ankorondrano, ny fanolorana fitaovam-piasàna ho an’ireo
Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny