airtel

Actualités

30-juil-2024

TILY ETO MADAGASIKARA

Hanatanteraka lasy mbola tsy nisy tao anatin’ny 100 taona

Sample post image

Hanatanteraka lasy tsy mbola nisy tato anatin’ ny 100 taona nijoroany ny Skoto Tily eto Madagasikara.

30-juil-2024

Ny datin’ny 01 ka hatramin’ny 05 Aogositra ho avy izao no hanatontosana izany izany hoe : hanomboka afaka rahampitso Alakamisy izay lasin-jobily fankalazana ny faha-100 taona niorenan’ny Fikambanana. Eny Fihaonana Ankazobe PK 55, lalam-pirenena fahaefatra no mifanao fotoana ny Tily rehetra ka ny Talata 30 Jolay dia efa afaka miditra manomana ny toerany ny mpilasy rehetra. Ny Alakamisy 01 Aogositra amin'ny 08 ora sy sasany maraina kosa no hanaovana ny fanokafana ny hetsika amim-pomba ofisialy, hotronin’ireo manam-pahefana sy mpiara-miombon’antoka isan-karazany, ary azon’ny daholobe hatrehina.Tily miisa 10.000 mahery avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no hifamotoana hiara-paly sy hikorana eny an-toerana mandritra io herinandro io. Hampiavaka ny lasy moa ny fisian’ireo karazana lalao sy sahan’asa efa nahafantarana ny skoto hatramin'izay ahitana ny teknika skoto isan-karazany, ny fiainana an-kalamanjana, sns... Toraka izany koa ny fisian'ireo endrika lalao hahafahana miaina ny toe-tsaina sy ny fanabeazana skoto amin'ny endriny manintona ny tanora ankehitriny toy ny jeux vidéo, ny fiarahana manao fizahan-tany amin'ny moto… Anisan'ny tanjaky ny skotisma ny fahaizana manolotra tolotra ara-panabeazana mivoatra sy manintona nefa mivoy hatrany ny toe-tsaina skoto. Filamatra hiainan’ny mpikambana mandritra ny fankalazana moa ny marina, mipaka ary matanjaka.
Pati
Legende : Tahaka izao ny hamaroan’ireo ankizy mpikambana ao amin’ny Tily eto amintsika !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap