airtel

Actualités

01-juil-2024

TIM Alakamisy Fenoarivo

Raikitra ny « Tournoi Mendrika » hitezana ny tanora

Sample post image

Ambohipihaonan’ireo mpanao fanatanjahantena sy mpitia fanatanjahantena ao anatin’ny Kaominina Alakamisy

01-juil-2024

Fenoarivo ny hetsika ara-panatanjahantena nosokafana teny an-toerana ny sabotsy lasa teo. Niroso tamin’ny « Tournoi Mendrika » amin’ny anaran’ny Antoko Tiako i Madagasikara, izay andraisan’ny isam-pokontany anjara, ary misy fsolontena avokoa ireo fokontany rehetra mandrafitra ny kaominina ny teny an-toerana, araka ny fanazavanan’Atoa Rasolonirina Mendrika, mpiara-mitarika manetsika sy manentana ireo mpikatroka sy ny tanora ary ny vahoaka eny an-toerana hiara-hientana. Ekipa 16 no mandray anjara, misy sokajy 4, lalao 3 isaky ny vondrona. Ondry sy kojakoja maro samihafa ilaina amin’ny fanatanjahantena no amboara ao anatin’izao fifaninanana izao. Tafiditra ao anatin’ireo hetsika samihafa karakarain’ny Antoko TIM eny an-toerana. Hetsika natao hamondronana sy hitezana ny tanora tsy hidonanam-poana sy tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina izy ity, raha ny fanazavan’Atoa Rasolonirina Mendrika hatrany. Hatao matetika io ho an’ny tanora, ary voalohany ho azy ireo, fa mbola hisy ihany koa ny hetsika hafa any amin’ny taona, raha ny fanazavany. Ezahana handeha araka ny tokony ho izy ny fikarakarana ny tanora sy ireo sehatra samihafa eo anivon’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, hoy hatrany ny fanazavana. Somary natoritory ny antoko TIM teo aloha, fa efa tena mifoha tanteraka amin’ny toromasony amin’izao fotoana izao, ka tafiditra ao anatin’izany ny hetsika tahaka izao, hoy hatrany Atoa Rasolonirina Mendrika. Miezaka ho an’ireo sokajy rehetra na vehivavy na ankizy, eny fa na olon-dehibe aza raha azo atao amin’izay lafiny rehetra ara-pampandrosoana azo atao ao amin’ny Faritra Alakamisy Fenoarivo. Tsy ny avy amin’io Antoko io ihany, fa vao nahare azy ity ny vahoaka, dia nirohotra na ny mpandray anjara mivantana na ny mpanohana azy ireo, hoy hatrany ny mpikarakara.
Toky R


 

Dans la même rubrique

04-juil-2024

Tsipahin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara, lany tamin’ny anaran’ny vovonana politika,

Card image cap
04-juil-2024

Tena niaina tao anatin’ny hatsiaka tanteraka isika teto an-drenivohitra tato anatin’ny herinandro izao.

Card image cap
04-juil-2024

Taribin-jiro'ny orinasa Jirama sahabo 500 metatra, izay mamatsy herinaratra

Card image cap
03-juil-2024

Voatery miroso amin'ny fahatapahan-jiro mifandimby isika ho an'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo,

Card image cap
03-juil-2024

Omaly no nanatanterahana ny lanonana ofisialy nankalaza ny faha-248 taona nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia ho an'ny eto Madagasikara .

Card image cap
03-juil-2024

Omaly 02 jolay no natolotra ny sampan-draharaha mpisitraka ireo fitaovana

Card image cap