airtel

Actualités

19-août-2024

TOAMASINA

Tsy azo ilomanosana intsony ny moron-dranomasin’i MIAMI

Sample post image

Tsy azo ilomanosana intsony eo amoron-dranomasin’ny torapasika vaovao ao Toamasina na MIAMI,

19-août-2024

raha ny fampahafantaran’ny kaompanian’ny zandarimaria ao an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Maro no antony, hoy ny fanazavana. Efa nalalinina be io sisin-dranomasina io, hoy ny voalaza. Lavaka be no ao amin’izao fotoana izao. Misy "Algues" mety hamatotra anao ihany koa any amin’ny ambany indrindra any na "fond". Nolavahana mihitsy izy io mba hifanaraka ny harofenitra mifandray amin'ny fanitarana ny seranana na «port» Toamasina. Misy antsantsa ihany koa mikendry ireo poti-tsakafo avy anaty sambo. Raha vahiny ianao na olona efa zatra milomano eo dia fadio ny milomano amin'iny morona iny fa hiteraka loza ho anao izany. Maro izay lasa na maty izay. Mino izahay fa tsy te ho anisan'izany ianao. Noho izany, tsy mitsahatra manentana ny zandarimaria miasa amin'ny seranan’i Toamasina fa tsy azo atao intsony ny milomano sy manjono amin'ny sisin-dranomasina manomboka eo amin'ny seranan-tsamboka hatreny amin'ny hôpitaly be. Ny hendry ihany no anarina. Lahitokana ny aina ka aleo misoroka toa izay mitsabo. Hisy ny fepetra ho raisina ho an'ireo izay minia mandika ny toromarika ho fiarovana ny aintsika mianakavy, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny zandarimaria ao an-toerana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap