airtel

Actualités

22-sept-2023

Toe-draharaha hafahafa

Namoahana “Alerte orange” ny tafika

Sample post image

Namoahana fanairana na "Alerte orange" ny tafika, raha ny taratasy miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera,

22-sept-2023

ka ny Lehiben’ny Etamazaoro Jeneraly Sahivelo Monja Delphin no namoaka izany. Ao anatin’ny tsiambaratelo raha ny tokony ho izy, saingy mahagaga ny fipariahany. Voalaza ao, fa miato avokoa ny famoahana fahazoan-dàlana hivoaka ny toby na “permission”, tsy maintsy miverina an-dakazerina avokoa ireo miaramila rehetra naka fialan-tsasatra tsy hiasa alohan’ny 30 septambra izao. Somary teknika ny taratasy, saingy midika zavatra maro eo anatrehan’izao toe-draharaham-pirenena mafampana izao. Tsara ihany koa no manamarika sy mampahatsiahy, nahetsika avokoa ireo mpitandro filaminana avy amin’ny ankolafy telo, araka ny fangatahana nataon’ny Prefen’Antananarivo. Hitandroana ny filaminana eto Antananarivo no nambara fa antony, ka mihatra nanomboka ny 18 septambra ary ao anatin’ny fotoana tsy voafetra io. Ny manam-pahefana sivily amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy, dia izy no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fakana ny mpitandro filaminana hiantsehatra, hoy ny fanazavana tamin’izany. Fanao ary tahaka ny iraka rehetra ny “requisition”, ary araka ny lalàna sy fitsipiky ny fitantanan-draharaham-panjakana, ary fanajana sy fanarahana ny zotram-pifidianana mba ho ao anatin’ny filaminana satria mila izany olona, ary mila toky kokoa amin’ny filaminan’ny tany sy ny Fanjakana, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny mpitandro filaminana miadidy an’Antananarivo andro vitsy lasa izay. Na izany na tsy izany, taratry ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika izao toe-javatra izao. Maro rahateo ireo toe-javatra mifamahofaho momba ny raharaham-pirenena, ary isan’ny antony iray tsy maha marin-toerana ny Fanjakana ihany koa ohatra ny hoe: efa tsy olom-boafidim-bahoaka intsony no mitantana firenena, fa olom-boatendry. Niteraka adihevitra ny hoe: fanonganam-panjakana tamin’ny alalan’ny andrim-panjakana na “coup d’Etat institutionnel” sa tsia? Ny governemanta etsy an-daniny toa manenjana, hendratrendratra, hany ka na ireo mpikambana ao aminy aza toa manao kabary politika toa mandranitra ireo kandida tsy mitovy firehana amin’ny fitondrana. Ny irariana dia hilamina ny toe-draharaha, tena fifidianana madio tsy hitondra korontana no handeha,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap