airtel

Actualités

22-août-2024

Toerana ho Tale Jeneralin’ny ARAI

Manomboka ny fandraisana ny antontan-taratasy

Sample post image

Vokatry ny fahafatesan’ny Tale Jeneralin’ny Sampan-draharaha misahana ny

22-août-2024

fanagiazana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-drariny na ny ARAI ny 14 mey lasa, teo dia nanomboka ny fandraisana mpifaninana hisafidianana izay ho mpandimby azy, ka ny Komity mitandro ny fahintsiana na ny CSI no isan’ny miantsoroka an’io. Araka ny andininy faha-16 andalana faha-5 amin'ny Didim-panjakana 2021-960 tamin'ny 29 septambra 2021, ny fanendrena Tale Jeneraly vaovao dia tsy maintsy atao ao anatin'ny enim-bolana volana, ka ny 14 novambra 2024 farahafatarany dia tokony ho efa tafapetraka. Na tsy mitaky fanadihadiana momba ny fahamendrehana aza ny lalàna, dia ampiharina io dingana io mba hahazoana antoka ny fahamendrehan'ny mpifaninana voafantina ary ampitoviana ny herijikan’ny rehetra amin’ny fifantenana, raha ny serasera mikasika ny sivana. Farafahatarany ny 20 septambra 2024 amin'ny 5 ora tolakandro ny fandraisana ny antontan-taratasy. Araka ny lalàna 2016-020 tamin'ny 22 aogositra 2016 momba ny lalàna mifehy ny ady amin’ny kolikoly na LCC, amin'ny andininy faha-40 andalana faha-2, ny Komity CSI no miantoka ny fahaleovantenan'ny rafitra iadiana amin'ny kolikoly. Amin'io anjara asany io, dia manomboka ny fandraisana mpifaninana ho amin'ny Tale Jeneraly ny BIANCO, ny SAMIFIN, ny birao manara-maso ny fanangonana vola tsy ara-dalàna, ary ny Mpandrindra Nasionalin’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) amin'ny alalan'ny "Komity fandraisana mpifaninana ad hoc". Ity Komity ity dia ahitana ny Filohan’ny CSI, solontenan'ny Primatiora, solontenan'ny Ministeran'ny Fitsarana, solontenan'ny Ministeran'ny Toekarena sy ny Vola, solontenan'ny sehatra tsy miankina, mpikambana ao amin'ny Conseil de l'Ordre des Avocats, ary solontenan'ny Firaisamonim-pirenena. Tsara ny manamarika fa na efa mipetraka avokoa aza ireo rafitra natao hiadiana amin’ny kolikoly, tsy nahomby ny paikadim-pirenena momba ny ady amin’ny kolikoly na ny SNLCC (Stratégie Nationale de Lutte contre la Corruption) 2015-2025, ary anisan’ireo Firenena ratsy toerana sy tena anjakan’ny kolikoly i Madagasikara.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap