airtel

Actualités

30-mai-2024

TOETR’ANDRO

Mbola tena hamirifiry ao anatin’ny 3 andro

Sample post image

Mbola tena hamirifiry tanteraka ny toetr’andro eto amintsika mandritra ity faran’ny herinandro ity.

30-mai-2024

Hisy fidinany hatrany mantsy ilay maripana 10°C izay efa nampitaraina ny maro tamin’ny Talata lasa teo. Ho an’ny Faritra Vakinankaratra kosa dia hitontongana hatrany amin’ny 3°C mihitsy izany ka 18°C no farany ambony indrindra. Mila manao mafana tsara araka izany ny rehetra hisorohana ireo karazan’aretina mety hamely amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Ny maraina sy ny hariva no tena hamirifiry fatratra izany hatsiaka izany. Tapitra niakatra avokoa noho izany ireo vidin’akanjo mafana sy ny bodofotsy eny an-tsena. Ho an’ity farany manokana dia misy mahatratra 2 hetsy Ar ny iray amin’ireo karazany matevina sy tsara. 50.000 Ar kosa ny mora indrindra ho an’ireo efa nampiasaina na friperie. Na izany aza dia mbola maina ny tsena. Raha araka ny fanazavan’ny mpivarotra iray mantsy dia mbola bodofotsy iray amin’ny 6 isan’andro amin’izao no lafo. Ny mpanontany no betsaka raha araka ny fanazavany hatrany. Ho an’ny akanjo mafana kosa indray dia fantatra fa niakatra hatrany amin’ny 10% isanisany ny vidin’izy ireny miankina amin’ny habeny sy ny kalitaony. Manomboka amin’ny 40.000 Ar ny raha misy mahatratra hatrany amin’ny 150.000 Ar kosa ny lafo indrindra.
Pati

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap