airtel

Actualités

04-juil-2024

TOETRY NY ANDRO

Hiakatra kely ny maripana anio

Sample post image

Tena niaina tao anatin’ny hatsiaka tanteraka isika teto an-drenivohitra tato anatin’ny herinandro izao.

04-juil-2024

Tafidina hatrany amin’ny 9°C ny maripana amin’ny maraina raha toraka izay ihany koa ny hariva. Tsy vitsy ireo voatery nanampy akanjo mafana sy lamba firakotra noho izany. Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby dia somary hiakatra kely io maripana io anio Alakamisy 04 Jolay. Mety ho tonga hatrany amin’ny 15°C ny ambany indrindra. Na izany aza dia nambaran’izy ireo fa mbola hitoetra hatrany ilay rivotra mangatsiaka ateraky ny varatraza saingy somary hihamalefaka ihany koa. Efa mifarana araka izany ny fanadinam-panjakana BEPC vao mihamafana ny andro. Tsiahivina moa fa mpiadina iray no tratry ny aretin-kibo ny Alatsinainy maraina teo tany Betafo teo am-panaovana fanadinana vokatr’izay herin’ny hatsiaka diso tafahoatra izay.
Pati
 

Dans la même rubrique

05-juil-2024

Miakatra ny daozin’ny fahatapahan-jiro manerana ny Nosy.

Card image cap
05-juil-2024

Efa hatrany am-piandohana no miasa ho an’ny vehivavy ny Jejoo le quotidien des femmes amin’ny alalan’ny

Card image cap
04-juil-2024

Tsipahin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara, lany tamin’ny anaran’ny vovonana politika,

Card image cap
04-juil-2024

Taribin-jiro'ny orinasa Jirama sahabo 500 metatra, izay mamatsy herinaratra

Card image cap