airtel

Actualités

28-juin-2024

Tolotra amin’ny fifandraisan-davitra

Efa tena lasa halatra bevava amin’ny fomba mihaja

Sample post image

Efa tena lasa halatra bevava amin’ny fomba mihaja ankehitriny ity tolotra amin’ny fifandraisan-davitra ity.

28-juin-2024

Tsy misy izay orinasam-pifandraisana tsy naharenesana fitarainan’ireo mpanjifa. Ireo mpampiasa tambazotran-tserasera sy aterineto moa no tena mikolay. Tolotra mitentina 1000 Ariary kanefa dia tsy misy azo natao tamin’ny hafa tsy nandefa sary anankiray, hoy ny mpanjifa iray. Tolotra efa manafosafo ny 20.000 Ariary kanefa anatin’ny 1 andro dia efa ny antsasany mahery no lany, ho anay mampiasa solosaina, hoy kosa ny mpanjifa hafa manao irony asa ampitain-davitra na «télétravail» irony. Manao izay danin’ny kibony sy hita ho gaboraraka tanteraka, indrindra, tato ho ato ireo tambazotram-pifandraisan-davitra miisa 3 eto Madagasikara, raha ny fitarainan’ireo mpanjifa hatrany. Tsiahivina hatrany fa nilaza ny handray fepetra ho an’ireo orinasam-pifandraisana mbola tsy mamerina amin’ny tena araka ny tokony ho izy ny tolotra omeny moa ny fitondram-panjakana saingy mbola handrasana hatrany anefa i Ambatobevohoka hatramin’izao. Ilay vaomiera natao hisahana ny fanadihadiana momba izany teny anivon’ny antenimieram-pirenena moa very an-javona tanteraka. Tapitra ihany ity ny fotoam-piasan’ireo solombavambahoaka. Asa izay ho tohiny ao anatin’izao fe-potoana vaovao hiditra tsy ho ela izao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-juin-2024

Antananarivo renivohitra, alakamisy 26 jona atoandro. Zazalahikely miisa 5 , 10 taona eo ny salan-taona.

Card image cap
27-juin-2024

Vahoaka malagasy, liana amin’ny afomanga fa tsy liana amin’ny hoavy,

Card image cap
27-juin-2024

Mba saino kely ry malagasy havako, hoy ny kandida ho solombavambahoaka farany teo,

Card image cap
27-juin-2024

Navoakan’ny vaovao an’habaka iray omaly, fa 386 300Ar eo ny saran’ny tambajotra

Card image cap
27-juin-2024

Azo ambara ho fahombiazana ny hetsika hira gasy, nokarakarain’ny fikambanana

Card image cap
27-juin-2024

Nankalaza ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantena isika omaly Talata 26 Jona.

Card image cap