airtel

Actualités

02-juil-2024

Actualités

Tombontsoan’ireo filoha teo aloha «Tsara iverenana dinihina ny lalàna»

Sample post image

aandefa taratasy any amin’ny praiminisitra ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana,

02-juil-2024

hoy ny mpandinika raharaham-pirenena sady mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, Soalihy Moussa, mikasika ny nanesorana ireo mpiambina ny tenany manokana. Manana sata ho arovana izy, hoy izy, amin’ny maha mpitondra teo aloha azy. Misy hasiny amin’ny sata repoblikanina izany maha filohan’ny repoblika teo aloha izany. Aza adino fa ny filoham-pirenena teo aloha dia olona mbola azo hakan-kevitra rehefa misy zava-mitranga amina firenena iray na any ivelany any dia afaka manao velankevitra amina oniversite. Raha misy diplaomaty tonga koa dia mbola afaka manatona azy ireo. Izao no antony hanomezana an-drizareo mpitantsoratra na «secrétaire» sy arofenitra na koa mpiambina manokana mihitsy. Mpiambina manokan’ny repoblika satria manana ny hasiny ny filoha teo aloha. Ny mampiavaka kely amin’ny antsika eto dia ny filoha teo aloha eto amintsika mbola tena mihetsika na «actif» be any amin’ny resaka politika. Mbola midina an-dalambe, migrevy ka eo no hitako manahirana kely satria tsy manakana azy ny midina an-dalambe sy maneho hevitra fa ilay izy mitondra miaramila repoblikanina no manahirana. Rehefa iny tsinona ny hetsika iray no misy basy dia efa hetsika mitam-piadiana izany no anaran’izay ka iny no manahirana hoe atao ahoana no hifehezana io mpiambina manokany miisa 12 nentiny nidina an-dalambe, anatina fihetsiketsehana, raha sanatria misy fifandonana? Sosokevitra ny ahy hoe tsara iverenana dinihina ny lalàna momba io fanomezana ny tombontsoa tokony hisitrahan’ireo filoham-pirenena teo aloha io. Lalàna 2003-001 angamba izy izay! Araraotina ny fananantsika ireto depiote vaovao ireto. Tsy resaka hoe isan’ny tokony ho mpiambina fotsiny fa hoe inona no tokony ho azo ataon’izany filoham-pirenena teo aloha izany? Tsy hisy hanakana filoha teo aloha haneho hevitra na higrevy fa ilay izy migrevy mitondra mpiambina manokana mitondra basy anatina vahoaka, eo no olana. Atao ahoana no hifehezana an’io? Tsy ny filoham-pirenena Ravalomanana irery no efa tratran’io olana io fa ny filoham-pirenena Zafy Albert koa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

04-juil-2024

Tsipahin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara, lany tamin’ny anaran’ny vovonana politika,

Card image cap
04-juil-2024

Tena niaina tao anatin’ny hatsiaka tanteraka isika teto an-drenivohitra tato anatin’ny herinandro izao.

Card image cap
04-juil-2024

Taribin-jiro'ny orinasa Jirama sahabo 500 metatra, izay mamatsy herinaratra

Card image cap
03-juil-2024

Voatery miroso amin'ny fahatapahan-jiro mifandimby isika ho an'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo,

Card image cap
03-juil-2024

Omaly no nanatanterahana ny lanonana ofisialy nankalaza ny faha-248 taona nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia ho an'ny eto Madagasikara .

Card image cap
03-juil-2024

Omaly 02 jolay no natolotra ny sampan-draharaha mpisitraka ireo fitaovana

Card image cap