airtel

Actualités

17-juin-2024

Tompondakan’ny fiarovana tontolo iainana

Nomena ny faritra Atsimo andrefana ny amboara

Sample post image

Ao anatin’ny tanjon’ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto amin’ny firenena,

17-juin-2024

hoy ny minisitry ny tontolo iainana sy fampandrosoana maharitra, Max Fontaine Andonirina, dia miara-miasa amin’ny fanjakana malagasy ny PAM na fandaharana iraisampirenena momba ny sakafo. Tsy voatery amin’ny fitaovana fotsiny, hoy izy, fa amin’ny resaka paikady sy tetikasa izay tena manampy antsika hanatanteraka ny iraka sahaninay. Manampy koa ny fiaraha-miasa amin’ny fitaleavam-paritra misahana ny tontolo iainana mba hidina ifotony hiara-hiasa amin’ireo vondron’olona ifotony. Manara-maso ireo tetikasan’ny fiarovana ny tontolo iainana hiady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Mitohy ny lanonana fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana sy ny andro maneran-tany ho an’ny fiangazanana. Tontosa ny marainan’ny sabotsy 15 jona ny atrikasa rejionaly momba ny paikadin’ny fanjakana malagasy mikasika ireo fivoriambe miisa 3 lehibe indrindra mikasika ny tontolo iainana. Eo ny fivoriambe iraisampirenena momba ny fiovaovan’ny toetr’andro. Faharoa ny fivoriambe iraisampirenena mikasika ny karazan-java manan’aina ary ny fivoriambe iraisampirenena miady amin’ny haintany. Efa nankatoavin’ny fanjakana malagasy iny paikady nasionaly iny, tamin’ny alalan’ny filankevitry ny governemanta. Manomboka amin’izay izao ny atrikasa fankan-kevitra rejionaly. Ity atrikasa aty Toliara ity no voalohany amin’ireo atrikasa rejionaly ireo. Tsy mitovy ny fomba hizakan’ny vahoaka malagasy ny fiovaovan’ny toetr’andro. Rehefa misolotena ny vahoaka malagasy isika amin’ireny fivoriambe iraisampirenena ireny satria misy adisisika, fifandresen-dahatra, fanapahan-kevitra dia tsy maintsy miainga amin’itony atrikasa fakan-kevitra itony no hevitra entinay amin’ireny. Misy ny fiarahamonim-pirenena, mpikaroka, mpampianatra, mpiara-miasa amin’ny fanjakana, mpiara-miombon’antoka ara-tekinika sy ara-bola. Ny fipetrak’ireny rafitra ireny no entintsika misolo tena an’i Madagasikara amin’ireo fivoriambe iraisampirenena. Mikasika ny tompondaka amin’ny fiarovana tontolo iainana sy karazan-java-manan’aina dia nanapaka ny minisiteran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy na MEDD fa mila olona alaina ohatra, mpitarika ny resaka fiarovana tontolo iainana. Tsy maintsy mametraka izay tompondaka izay isam-paritra ny MEDD. Ny faritra Atsimo andrefana no nomena izany amboara izany tamin’ity. Misy masontsivana maromaro nahazoany izany. Manana vina lavitra, mari-pahaizana koa ny governora Tovondrainy Ranoelson Edally. Mahafantatra tsara ny olana sedrain’ny vahoaka ao Atsimo andrefana, izay araka ny nambara teo dia tena tsy zaka ny olana ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nitondra vahaolana koa ny governora, hoy hatrany ny minisitra. Ny fahazoana ny amboara kosa, hoy ity governora voakasika ity, dia mampirisika amin’ny fanamafisana izay ezaka amin’ny fiarovana tontolo iainana izay. Nampidiranay andininy maro ny mikasika ny tontolo iainana ao anatin’ny dinabe, hoy izy, mba hahatsapan’ny vahoaka fa tena miankina amin’io tontolo iainana io avokoa ny zava-drehetra ary naparitaka eraky ny faritra moa ny komitin’ny dinabe hanentana sy hanazava ny andinindininy rehetra mikasika izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap