Vokatry ny firotsahan’ilay ranon’orana voalohany teto an-drenivohitra iny no nahatonga izany izay nomarihin’ny Ben’ny Randriantsoa Jimmy fa tsy tokony hisy olana mihitsy. Tapitra nanorenan’ireo olona sasany trano kisoa sy trano fivoahana mantsy ny lalan-drano tao anatin’io Fokontany io antony niteraka ilay tondra-drano. Tsy nandry andro tsy nandry alina araka izany ny kaominina nitady vahaolana mifandraika amin’izany toy ny fisokirana ireo tatatra tsentsina… Tsy hijanona hatreo ny hetsika raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanàna ity hatrany. Mety hisy mihitsy mantsy ny fidinana ifotony hataon’ny kaominina handrava ireo trano kisoa sy trano fivoahana manentsika ireo tatatra eny amin’iny faritra iny ato ho ato. Nomarihin’ity Ben’ny tanàna ity moa fa saika lasibatr’ity tondra-drano ity avokoa ireo Fokontany amin’ny faritra manamorona an’ny By pass ka anisan’ireny ny Fokontany Ankadindratombo, Est Mahazoarivo, Ankazobe, Mandikanamana.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tanànan’ny kaominina Alasora
Nanomboka omaly ny fanadiovana ny tsena eto Antananarivo renivohitra araka
Sarotra ny hanantena fahagagana amin’izao fitondrana izao ao anatin’ny 5 taona ho avy.
Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Pho Resto Ampasamadinika ny
Tena sahirana ny ankamaroan’ireo zokiolona eto amintsika.
Ny taona 2015 aho no niady tao amin’ny fitsaràna ambaratonga voalohany na