nandray ny toerana, hoy ny ben’ny tanàna eny an-toerana, Tovo Rakotojohary, namintina ny 4 taona mahery nitantanany. Nisy trosa amina miliara, hoy izy, nila nefaina ny taona 2020. Ny 31 desambra 2023 kosa dia nihoatra amina miliara indray anefa ny volan’ny kaominina. Ny antony dia tsy tomombana tanteraka ny fahafaha-mampiasa vola ny taona 2023. Olana teo amin’ny fampiharana ny lalàna ny fitsinjaram-pahefana io izay mbola tsy tena mamoaka tsara ny vinan’ny filoham-pirenena mikasika ny fahavitan-tena na «autonomisation» sy fampandraisana andraikitra ny CTD na vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Manana ny heritreriny ny minisitera fa tokony nampifandrindrana tamin’ny vinan’ny filoham-pirenena ilay izy. Izay no mahatonga io olana amin’ny fahafaha-mampiasa vola na «exécution budgétaire» amin’ny kaominina rehetra manerana an’i Madagasikara io. Tsy manakana ny zava-bita nefa izany satria ny fanjakana dia manefa tsara ny famatsiam-bola na «subvention» saingy iny moa arakaraky ny kaominina hoe raha kaominina sahirana izy dia zava-dehibe aminy izay. Ho anay dia fanampiana fotsiny iny fa izahay tsy afaka miankina amin’iny amin’ny resaka fampandrosoana. Politika fampandrosoana anatiny tsinona no resahantsika, izany hoe, tsy maintsy miainga avy amin’ny kaominina. Io izany no angatahana amin’ny fanjakana hoe tokony hijery akaiky ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina ahafahany manatanteraka asa izy amin’ny alalan’ny fidiram-bola manokan’ilay kaominina fa hafa ny fanampiana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka sy fanjakana. Tanjombato manokana dia ny fisian’ireo faritra indostrialy na «zone industrielle» no mampiditra ny hetra amin’ny alalan’ny FPB. Manaraka ny rafitra apetraky ny fanjakana foibe izahay amin’ny alalan’ny fanaovana ny atao hoe «Budget de programme». Io indray dia miainga avy any ifotony, izany hoe tetikasa avy amin’ny vahoaka. Mamory vahoaka ianao amin’ny alalan’ny hoe «structure local de concertation» dia iny no misy hetaheta dia arafitrao anaty tetibola izay misy ezaka tratrarina ao hanatanterahana izay tanjona izay. Manana ny vina entiny koa ny kaominina dia io no aravina ho iray. Avoaka ho tarehimarika dia tanterahina mandritry ny taona. Mety ho 3 taona vao vita ilay tetikasa raha fotodrafitrasa lehibe. Misy koa ny tsy maintsy tanterahana isan-taona. Ny olana saika sedrain’ny kaominina rehetra nefa dia any amin’ny famatsiana fampiodinan-draharaha izy dia efa tsy tafavoaka. Fahasahiranana any amin’ny resaka dingana arahana na «procédure» izay misy fanamorana tokony ataon’ny fanjakana izany any amin’ny resaka informatika sy toy izany satria misy kaominina tsy misy tambazotra nefa asaina manao «SIG-FP» sy ny toy izany. Finiavana miainga amin’ny kaominina sy fanjakana foibe no hanatanterahana ny hetahetan’ny vahoaka. Misy fanamorana tokony ataon’ny fanjakana amin’ny resaka dingana arahana na «procédure», hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tena efa reraka ny vahoaka raha mbola hizioga krizy toy izay nisy teo aloha, hoy ny mpikatroka avy eo anivon’ny
Misy mangalatra hatramin’ny vary mbola tsy voajinja eny an-tsaha amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao.
Vao mainka nandeha be ny fampanofana vorona tamin’ity taona 2024 ity raha oharina tamin’ny taon-dasa,
Sahiran-tsaina ny ankamaroan’ireo ray aman-dreny ao anatin’izao fidirana amin’ny fialàn-tsasatry
Nitelina zazalahy kely iray vao 10 taona monja indray ny ranon’Ikopa ny Zoma 20 Desambra lasa teo.
Notanterahina ny 20 sy ny 21 Desambra lasa teo teny amin’ny zaridainan’Antaninarenina ilay