rahampitso) ho avy izao satria hivoaka amin’io andro io ny didim-pitsarana mahakasika ireo teratany karana 4 voarohirohy amin’ny resaka trafikana volamena sy resaka famotsiam-bola. Ny 3 amin’izy ireo amin’izao fotoana no voatana eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy dia i D K, S R ary M D. fa ny iray kosa, S K dia efa tafaporitsaka lasa nandositra atsy amin’ny Nosy La Réunion. Maro be ireo miandry ny Fitsarana mba hitsara sy hamoka ny didy ara-drariny sy araka ny hitsiny momba ireo raharaha ireo, satria lazaina ombieniombieny misy ny ezaka iadiana amin’ny kolikoly sy ny trafika maro samy hafa amin’izao fotoana eto amin’ny firenena. Fotoana izao, hoy mpanara-baovao hanaporofoan'ny fitsarana fa mahavita mitsara araka ny lalàna, ny rariny sy ny hitsiny izy ireo fa tsy sanatria manaiky tsindry sy ny mpanao lava tanana manery mivantana na ankolaka any ambadika any. Efa maro ireo mpisintona lakolosy amin’ny tambazotran-tserasera sosialy no manaitra ny maro sy ny manam-pahefana kanefa toa tsy misy vokany foana izany. Mitady ho afa-maina ireo fanetriben’ny firenena amin’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena i, ny iray aza moa araka ny efa voalaza teo dia efa lasa any La Réunion. Maro ny resaka mbola mandeha ihany koa momba ireo 3 hafa ambara fa hoe mifonja eny Tsiafahy. Ho hita eo izay ho ambaran'ny fitsarana rahampitso !
Nangonin'i RTT
Vanim-potoana ahatsiarovana manokana ny tolom-panahafahana tamin’ny taona 1947 ny volana martsa tahaka izao,
Olona 17 no nalefa vonjimaika any am-ponja taorian’ny fiakarana fampanoavana ny 07 martsa teo,
Miparitaka eto amintsika ny gazoala mitapoka solitany amin’izao raha araka ny vaovao azo.
Voa mafy ny tapany avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy noho ny andro ratsy nateraky
Nahavita ny adidiny amin’ny maha olom-pirenena tompon’andraikitra azy ny Vehivavy Tia Tanindrazana.
Mitombo ireo mivelona amin’ny asa fakana ranon’olona eto an-drenivohitra sy ny manodidina