Ho fanomezana faham-po ny mpanjifa na aiza na aiza toerana misy azy, hotanterahana ny 28 aprily hatramin’ny 04 mey 2025 izao ny « Foire Digitale » ao amin’ny tranonkala Ketrika.com izay «Foire en ligne » na karazana tsenabe an-tranonkala voalohany eto Madagasikara, karakarain’ny Vidy Varotra, fantan-daza tamin’ny fikarakarana hetsika sy foara ara-barotra teto Madagasikara nanomboka tany amin’ny taona 2006 hatramin’ny 2010. Noho ny fivoaran’ny fanatontoloana takian’ny fiainana andavanandro, miroso amin’ny endrika nomerika sy manome vahana ny «e-commerce » ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra Vidy Varotra, ka ao amin’ny tranonkala na site web Ketrika.com no ho ambohipihaonan’ny mpanjifa hahafahany mijery sy manjifa ireo entana samihafa tadiaviny, araka ny fanazavan’Atoa Harilala Rakotomalala Tompon’andraikitra ara-barotry ny Vidy Varotra. Maherin’ny 100 noho izany ny mpampiranty sy mpivarotra ho hita ao anatin’ny tranonkala Ketrika.com mandritra ny « Foire Digitale », hanolotra entana maherin’ny 3000 izay misy fihenam-bidy hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa izay tombanana ho 35000 eo ny mpitsidika na « visiteurs en ligne». Ankoatra ny an-tranonkala azon’ny rehetra jerena amin’ny fotoana rehetra amin’ny alalan’ny internet, hiavaka ny 4 mey satria afaka mitsidika mivantana etsy amin’ny Novotel Convention & SPA ny mpanjifa, ka solosaina eo amin’ny 200 isa eo ahafahan’ny mpanjifa mitsidika ny tranonkala sy mijery ireo entana mahaliana azy izay hisy ny tantsoroka ho an’ny mpanjifa avy amin’ireo teknisianina. Mpitsidika sy mpanjifa hatrany amin’ny 2000 no andrasana amin’io.
SANGANY AMIN’NY TONTOLON’NY « VENTE EN LIGNE »
Tranonkala sangany amin’ny tontolon’ny « e-commerce » na « vente en ligne » ny Ketrika.com nanomboka ny taona 2018 nitsanganany noho ny antoka sy fenitra ara-piarovana toy ny lafiny fandoavam-bola, antoka amin’ny entana amidiny, ny vidin-javatra mora kokoa,... Anisan’ny mametraka azy ho lohalaharana sy manamafy ny fitokisan’ny mpanjifa io. «Tao anatin’ny 8 taona nisian’ny Ketrika.com dia tena hitanay fa misy fiakarana ary mitombo isan-taona ny « achat en ligne ». Anisan’ny tena toe-javatra lehibe nampiakatra be azy tamin’ny nisian’ny covid-19. Miezaka manome zavatra azo antoka, fa tsy hamitaka ny mpanjifa ny Ketrika,… Ary amin’ny maha foara ity hetsika ity, manana adidy izy hivarotra entana mora kokoa hatrany ho an’ny mpanjifa », hoy Rtoa Katia Randriamamonjy, Cheffe de Projet an’ny Ketrika.com.
Toky R
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »
Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga
Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny
Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i