airtel

Actualités

13-déc-2023

Tsingerin-taonan-dRavalomanana

Fandetehana ny ekipany no fanomezan’ny Fitondrana

Sample post image

Roa taona an-tranomaizina sazy mihantona! Io no didy navoakan’ny Fitsarana Ambaratonga

13-déc-2023

voalohany eto Antananarivo omaly 12 desambra, momba ny raharaha nisamborana ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko TIM Rina Randriamasinoro. Vesatra niampangana azy ny famoriam-bahoaka tsy ara-dalàna izay ambara fa fanakorontanana ny filaminana anatin’ny firenena. Raha hiverenana, dia nosamborin'ny Zandary teo Andohan’Analakely i Rina Randriamasinoro raha nipetraka tsy nanam-po na inona na inona, tamin'ny 02 Oktobra 2023, andro voalohany nidinan'ny Collectif des candidats an-dalambe. Natao andrimaso nandritra ny 11 andro tao amin'ny Borigady misahana ny fikarohana heloka bevava tetsy Fiadanana, ka ny 13 oktobra no natolotra Fampanoavana. Napetraka teo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana, ka « Sous contrôle judiciaire » izy nanomboka teo, ary notsaraina ny 31 oktobra 2023, ka io nivoaka omaly io ny didim-pitsarana. Nanao fampiakarana ny voapanga ka asa izay ho tohiny ? Tsara ny manamarika fa ny jolay 2022, dia efa tratry ny fisamborana i Rina Randriamasinoro niaraka tamin’ny Mpandrindra Nasionalin’ny TIM Jean Claude Rakotonirina, izay nilazan’i Marc Ravalomanana tamin’izany fa "Terrorisme d'Etat" no mitranga. Iny fa niverina indray ny fanenjehana ireo olona akaiky an’i Marc Ravalomanana satria dia ny Sekretera jeneralin’ny TIM mihitsy no nopehana, avy eo ny Filohan’ny Vondrona Parlemantera,… izay manamafy fa tena mbola ao anatin’ny fifamelezana ara-politika henjana eo amin’ny TIM sy ny TGV. Fanasaziana ny ekipany no fanomezana nomen’ny Fitondrana an’i Marc Ravalomanana izay nankalaza ny faha-74 taonany omaly. Raha raisina amin’io didim-pitsarana io dia fehezina mafy ireo heverina fa herin’ny TIM mba tsy hikofoka. Stratejika be izany toerana sekretera jeneralin’Antoko sy Lehiben’ny Vondrona parlemantera izany amin’ny politika, saingy ireo no nopehan’ny fitondrana voalohany, ary hatramin’i Marc Ravalomanana aza, dia voalaza fa efa tena anatin’ny « ligne de mire » na ny fari-bolan’ny mpitondra ny famelezana azy, raha vao mikofoka mafy. Toa mampahatsiahy ny fiandohan’ny taom-piasan’i Andry Rajoelina tamin’ny 2018 ihany, izay nisesy nalefa tany am-ponja ireo heverina fa manana tanjaka ara-politika na ara-bola na ara-kevitra mety hanohintohina ny fitondrana toa an-dry Mbola Rajaonah, Be-Rija Ravelomanantsoa, Harry Laurent Rahajason,… Naneho moa I Rina Randriamasinoro omaly teny Faravohitra, raha nikabary noho ny tsingerin-taona faha-74 taonan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, fa tsy mampihontsona azy ireo ny fanamelohana roa taona an-tranomaizina sazy mihantona. «… Tsy mampihetsika ny volomasontsika izany, ary ataontsika ho fantatr’ireo hatrany fa mijoro isika, ary mijoro hatramin’ny farany amin’ny tolona izay iarahantsika », hoy i Rina Randriamasinoro.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap