airtel

Actualités

24-déc-2024

Tsivery Harisoa Mao Tse-Toung

«Olona mifatotra ve ho afaka hitondra fandrosoana?»

Sample post image

Tena efa reraka ny vahoaka raha mbola hizioga krizy toy izay nisy teo aloha, hoy ny mpikatroka avy eo anivon’ny

24-déc-2024

antoko politika FIVOI na Fiovàna ivoaràn’ny eny ifotony, Tsivery Harisoa Mao Tse-Toung. Izaho manokàna, hoy izy, mahita hoe hisy tranga tsy ho fahita hatrizay teto amin’ny firenena satria ohatrany mampametra-panontaniana izany hoe vary 1kg no efa mananontanona ny 4000 Ariary izany. Mbola ho zaka ve izany raha hisy krizy? Izay fahasahiranam-bahoaka izay nefa araraotin’ny mpanao politika hitazonana fahefàna ankehitriny handambolamboana vahoaka amin’ity resaka tolotolotra ity. Raha io resaka tolotra io no hampandroso eto amin’ny firenena dia tokony ovaina izany ny fomba fiasa eto amin’ny firenena hoe inona no zavatra ho zaraina ho an’ny vahoaka? Misy zavatra be dia be nefa eto amin’ity firenena malagasy ity, izay tonga ny fotoana ankehitriny itadiavana izany fototra tokony hongotana mampikatso, mampihisatra, tsy mampandeha intsony ity. Ohatran’ny hoe ankizy kely milalao bokotra na «interrupteur» famonoana sy fampirehetana jiro izao ny JIRAMA. Mimenomenona ianao hoe nisy simba ny fitaovana vokatr’ilay izy fa tsy misy iraharahian’ny JIRAMA an’izany. Izany rehetra izany dia midika fa misy zavatra ilàna fiaraha-mandinika eto amin’ity firenena ity izao. Raha tsy ho tadiavina ny fototr’izany olana izany dia angamba ity firenena ity ho latsaka anatin’ny korontana tanteraka. Tsy hisy hamorona ny korontana fa hoavy ho azy ary tsy maintsy hitranga raha izao no zava-miseho. Betsaka izao no manao antso tahaka ireo raiamandreny, fiarahamonim-pirenena, izay mampametra-panontaniana koa amin’izao fotoana izao hoe tena manao ny andraikiny ve sa manakory fa mila ny fandraisan’andraikitry ny sehatra toy izany izao ny firenena? Tononina manokana mihitsy hoe ny fiangonana eto Madagasikara. Tsy hiteny aho hoe ny FFKM irery fa ny fiangonana, ny firaisamonim-pirenena izay mbola tena hoe hijoro amin’izany maha firaisamonim-pirenena izany fa tsy hitango ny volan’ireo atao hoe mpamatsy vola amin’ireny resaka fifidianana ireny satria izany no zava-misy eto an-tanàna. Hitadiavan’ireny sehatra ireny vola ny fifidianana. Izahay tao anatin’izao zotram-pifidianana izao dia velom-panontaniana mihitsy tany amin’ny toerana misy anay hoe aiza no misy mpanara-maso fifidianana ho hita any anelanelan-kazo any? Tany anelanelan’ala tany no nisy fifidianana tany aminay dia hoe inona ary ireto sinema atao amin’ny tontolo ambanivohitra ireto? Tsy hisy firenena handroso ho azy na terena handroso fotsiny izany. Olona mifatotra ve ny ankamaroany dia ho afaka hitondra fandrosoana? Tsy hitrotrongy any an-kady ve, sanatrian’ny vava, no hiafaràn’izany? Misy olana mila vahàna eto amin’ny firenena amin’ny alalan’ny antsoina hoe fahamarinana. Tsy moramora ny mametraka izany fahamarinana izany eto, izay efa takon’ny zavatra maro, raha tsy hiteny afa-tsy ny hoe vola. Tany amin’ny kaominina misy anay izao dia novidiana kasikety sy vola 5000 Ariary ny olona hifidy kandidà iray. Ampanantenaina avy eo hoe ampiana 10.000 Ariary iny rehefa lany ilay kandidà. Zava-nisy izany. Ny mpanao politika efa zatra ny lalan-dririnina koa moa dia tsy mahalala afa-tsy ny azy ihany koa. Ilàna ny fifohazan’ny malagasy izao fa mananontanona ny fahafatesan’ny malagasy manontolo mihitsy raha izao no mitohy, hoy hatrany ity kandidà ho ben’ny tanàna tao amin’ny kaominin’ambanivohitr’i Manjakandriana ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-déc-2024

Mifarana ny taona fa dia miatrika fahasahiranana ny tontolon’ny asa eto Madagasikara,

Card image cap
26-déc-2024

Mbola betsaka ireo tazana nanao ny asany tamin’ny andavanandro omaly Alarobia 25 Desambra

Card image cap
26-déc-2024

Tsy mety tapitra ny trafikana volamena miainga avy eto Madagasikara, fa tena mbola mampiteny ny moana.

Card image cap
26-déc-2024

Tena nanao ny nataony ny delestazy teny Itaosy Atsimondrano afak’omaly Talata 24 Desambra.

Card image cap
26-déc-2024

Nodimandry ny talata 24 desambra 2024 teo teny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana ny Pr Manantsoa Victor.

Card image cap
26-déc-2024

Raha tamin’ny andro taloha dia ny fotoana akatoky ny fety toy iny harivan’ny 24 desambra 2024

Card image cap