airtel

Actualités

22-mai-2024

Tsy misy distrika ho adino…

Mba lalina koa iny nofy alina iny a !

Sample post image

Nahita tory tsara ihany koa moa na trotratry ny adin-tsaina aza hany ka nafana ery izato nofy ririnina.

22-mai-2024

Tsy hisy distrika ho adino intsony, fa samy hisitraka fampandrosoana avokoa ny faritra rehetra. Vita hono ny làlana makany Ikongo, ny makany Anosibe an’Ala, Marolambo, fa indrindra ilay «autoroute » makany Toamasina,… Tsy kisehoseho ivelany sy vato fototra fa asa tena azo tsapain-tànana. Tsy kirendrarendra toy ny teleferika izay zary fanesoana vahoaka eo anatrehan’ny fahantrany, fa tena fijerena ny soa iombonana. Tena mipetraka ny politika ara-toekarena mahomby ka tsy ho volosana fahatany ireo orinasa manome aina ny toekarena, mamorona asa an-jatony sy an’arivony,… Tena mipetraka ny tontolo ara-pandraharahana milamina, marin-toerana ny mpampiasa vola vahiny, milamina ny famokarana sy ny fanondranana,… Ny harem-pirenena moa tena tsara tantana fa tsy miondrana fahatany ho an’ny tombotsoan’olom-bitsy ! Taitra sy nitsamboatra tampoka aho, fa hay nofy lalina ilay teo, saingy azo tanterahana tsara raha misy Fanjakana tsara tantana sy tena mijery ny soa iombonana, fa tsy hanabado sy hanjono vahoaka rehefa fifidianan e ! Saino kely anie e ! Inona ny fitarainana tsy nataon’ny tany Ikongo : làlana, hanoanana, fahantrana,… Hatramin’ny vary anie ka nozaraina madco e, ny menaka nozaraina tamin’ny sotro,… Dia mangataka kadoa amin’ny vahoakan’Ikongo hono hoe : fidio ny kandidam-panjakana ho fanomezana ho ahy ! Izany ve tsy efa fandatsana antsika e !?
Tia Tanindrazana
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap