airtel

Actualités

01-oct-2024

Tsy reraka ny filan-kevim-pirenena

ho an’ny vehivavy eto Madagasikara

Sample post image

na ny CNFM tarihin-dRtoa Andriamasy Estelle, miady ireo karazana zo tokony hositrahin’ny vehivavy eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

01-oct-2024

Nosinganiny manokana omaly Alatsinainy 30 Septambra ny zo ara-pahasalamana tokony hananan’ny vehivavy indrindra fa ny resaka fananahana izay zary tsy voahaja intsony. Mbola betsaka ny vehivavy maty eo am-piterahana hoy izy. Mbola betsaka ihany koa ireo tranga fanalan-jaza tsy ara-dalana izay voalaza ho mamono vehivavy miisa 3 isan’andro eto Madagasikara raha araka ny fanadihadiana nataon’ny Fikambanana iray. Tokony hojerena akaiky ny momba izany raha ny nambarany, indrindra fa ity farany. Hatreto tokoa mantsy raha tsiahivina dia mbola maty momoka ary tsy nolaniana teny anivon’ny Antenimieram-pirenena akory ilay lalana momba ny fahafahan’ny vehivavy iray manala zaza ho an’ny vohoka tsy niriana izay marihina fa tsy hitovizan’ny rehetra hevitra ka mampanano sarotra ny raharaha. Ilay vohoka ahiana hahafaty ny Reny na ilay zaza ary hananana porofo no tokony hanaovana izany ho an’ny sasany. Ho an’ny sasany kosa rehefa vohoka dia aina noho izany tsy tokony ho kitikitihina na inona na inona mety ho antony….. Hangatahin’ny CNFM ihany koa ny hahazoan’ny vehivavy ilay zo hahafahany miatrika fiofanana mba hanatsarany ny velon-tenany.
Pati
Legende : Rtoa Andriamasy Estelle, filohan’ny CNFM !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap