airtel

Actualités

15-oct-2024

Tsy tafa intsony ity!

«Anjarantsika malagasy no manodina an’i Tsimiroro sy Bemolanga»

Sample post image

Rehefa mivadika menaka mavesatra i Tsimiroro sy Bemolanga dia manana 800 barika amin’izany

15-oct-2024

ny malagasy tsirairay avy, hoy ny Pr Jonah Rasolofo, manam-pahaizana momba ny resaka fitrandrahana. Mody odiana adala ve izany, hoy izy, fa hanafatra foana any ivelany? Menaka mavesatra na «huile lourde» no hanasokajiana ny ao Tsimiroro. «Huile extra lourde» na ambonin’ny menaka mavesatra ny ao Bemolanga. Mitovy ihany ny iaingan’ireo. Mitovy ny any Arabia saodita, Etazonia, Kanada. Lasa navesatra kosa satria nisy «réaction bactérienne» na fiforonana vaovao. Mila 20.000 barilina isan’andro isika. Raha trandrahana i Tsimiroro dia hahazoana 87.000 barilina isan’andro. Tsy manana fahazoan-dalana na «licence» handio menaka na hanao «raffinerie» ny Madagascar Oil. Anjarantsika malagasy, noho izany, no manodina an’io. Io ny filàn’ny JIRAMA. 4000 barilina isan’andro no fitambarany. Tsy manam-bola handoavana ny volan’ny mpandraharaha ara-tsolika ny fanjakàna malagasy. Rehefa mahita isika malagasy, izay toy ny zanaky ny fitondrana mijoro, hoe tsy tafa intsony io dia anjarantsika no mandray andraikitra. Andao isika no hameno ny banga! Mampikaikaika ny arabe. Azo hanaovana tara na «goudron» i Tsimiroro sy Bemolanga fa misy fanodinana tsy maintsy atao. 250 tapitrisa Dolara isan-taona no vola manjavona ao amin’ny JIRAMA. Mbola hipetra-potsiny ve? 14 miliara Dolara isan-taona no ilaina dia vita tara na «goudron» i Madagasikara. Ivon-toerana na «unité» miisa 700 izay handaniana 120 tapitrisa Dolara ny fitambarany aloha androany dia mivaha ny delestazy. Rehefa manam-bola indray isika dia afaka manao lehibebe 1 mahavita 650 barilina isan’andro na 100 mililitatra barilina isan’andro. Mahavita miisa 7 amin’izay dia tsy misy intsony ny olana amin’ny delestazy. Any Chine misy fitaovana. 3 volana no nanaovan-drizareo azy. Rehefa nojerena ny paikady rehetra, 400.000 Dolara, mahavita an’iny tonga eto, asiana fanavaozana kely, fa raha any amin’ny tandrefana na aty Afrika atsimo dia 40 tapitrisa Dolara fa tsy 400.000 Dolara ny iray. Efa nisy ny fantsona nataon’ny Madagascar Oil. Miisa 2 izany no fandraisana anjara azontsika atao. Sady afaka mampiakatra ny kalitaon’ilay menaka mavesatra no mahazo lasantsy. 26.000 Dolara ny filàna isaky ny fatsakàna. 63.500 Dolara kosa no ilaina raha any amin’ny tandrefana no hanao ny atao hoe «Craquage». 8000 Dolara dia mahavita an’izay eto. 16,9 tapitrisa Dolara no tetibola ampiasain’i Madagascar Oil amin’ilay mahavita 650 barilina. Raha hanao isika dia 400.000 Dolara mahavita miisa 7. 41.275.000 Dolara ny any ivelany. Efa niara-niasa tamin’ny Batman Airways avy ao Afrika atsimo izy. Niara-niasa tamin’ny Sheritt. 87.000 barilina isan’andro no tanjon’ny Madagascar Oil. Fantsona miisa 870 izany no hataony eto. Handany vola 2 miliara Dolara mahery izy mikasika izay zavatra izay. 5 miliara Dolara raha ampiakarina ny kalitaon’ilay menaka saingy tsy ho ataony izay. Raha isika no manao azy dia 53 tapitrisa Dolara. Entanina hanao tsikelikely isika fa raha mahavita isika dia ho toy ny ao Katara anatin’ny 10 taona. Tena hoe manana. 15 Dolara isaky ny 159 litatra ny sandan’ny famokarana. Raha hiditra amin’ilay 4000 barilina dia 60.000 Dolara no lany vao voahodina io. Miakatra ny lentany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap