hoy ny fanamarihan’ny mpanara-baovao iray nahita ny tangoron’olona nanodidina ny farihin’Anosy mbola tolakandro be ny 25 jona teo. Mahereza no fehiny, hoy izy. Raha ny hita hatramin’izay tokoa aloha, tsy teto Antananarivo ihany fa saika manerana ny nosy mihitsy, dia liana tamin’ny afomanga sy mamirapiratra hafa foana io malagasy io. Maro ny fitsikerana milaza ny fitondrana nisy tao anatin’izay 5 taona mahery izay ho tompon’ny seho ivelany sy mamirapiratra na koa hoe tsy mahalala laharam-pahamehana fa saingy nitombina foana tokoa hatramin’izao aloha ny fomba fiteny hoe «Ny gasy tsy maintsy mifety!». Anio mihinana ny matsiro rehetra fa rahampitso miafy amin’ny ron’angivy na mandry fotsy mihitsy aza. Izany gasy izany efa zatra miafy, hoy ny sasany. Efa miafy foana isan’andro fa aleo mba manararaotra rehefa fety, hoy ireo fanehoan-kevitra. Inona tokoa moa no maha ratsy ny fety? Iaraha-mahalala ihany koa fa amin’ny ankapobeny dia sarotra ny tsy hamoaka vola mihoatra amin’ny mahazatra rehefa fety toy izao ho famalifaliana ny ankohonana fa tsy vitan’ny hoe mijery afomanga fotsiny dia mody. Sarotra ny miala amin’ny kitonotono sy ny kisotrosotro. Mbola liana amin’ny kolontsain’ny revy sy ny fety aloha izany, amin’ny ankapobeny, ny malagasy ankehitriny. Mbola sarotra ho azy ny hitantana, araka ny tokony ho izy na hanavaka mihitsy, ny atao hoe mahasoa sy ny atao hoe mahafinaritra. Mbola hita hanahirana ny hametrahana izany kolontsain’ny famokarana ao anatin’ny vahoaka malagasy izany, mba tsy hilazana hoe lavitra ezaka. Mbola niampy indray aza moa izany ny andro natao tsy hiasana fa handraisan-karama. Aleo mifety tokoa angamba aloha fa ny solika aza ity hiakatra!
J. Mirija
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA