airtel

Actualités

03-juil-2024

VAKANSY LEHIBE

Kivy amin’ny haratsian-dalana ny mpanao vakansy

Sample post image

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

03-juil-2024

Taorian’ny fanadinam-panjakana CEPE dia hifarana rahampitso Alakamisy 04 Jolay koa ny fanadinam-panjakana BEPC ary hanomboka hitanjotra hiala sasatra ny ankamaroan’ny isan-tokantrano ho an’ireo manana fahafahana. Na izany aza anefa dia tena kivy amin’ny haratsian-dalana ny ankamaroan’ireo nanontaniana. Hatreto dia ny miazo an’i Mahajanga sy Toamasina no tena be mpisafidy saingy indrisy fa samy ratsy lalana. Ho an’i Mahajanga manokana dia mahatratra 12 ka hatramin’ny 16 ora ny fiara iray eny an-dalana raha mbola vita 9 ka hatramin’ny 10 ora izany teo aloha. Manomboka eo Ambondromamy ka hatrany Mahajanga no tena mampikolay ny mpamily. Ho an’i Toamasina indray dia vao eo Manjakandriana dia efa sahirana ny mpamily ka hatrany Toamasina. Raha hiazo an’i Foulpointe izany moa dia tsy lazaina intsony ny haratsian-dalana. Saika sahirana avokoa ireo fiara madinika noho izany raha hiazo ireo toerana roa voalaza ireo, indrindra fa ireo misafidy ny hitondra ny fiarany manokana. Antso avo araka izany no hatao amin’ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny asa fanamboarana ireny lalam-pirenena ireny. Vao mainka mampahazo vahana ny asan-dahalo mantsy ny haratsian-dalana ka tokony hanaovana ezaka manokana.
Pati
Legende : Manomboka mihabetsaka ireo taksibrosy miazo an’i Mahajanga sy Toamasina amin’izao !

 

Dans la même rubrique

05-juil-2024

Miakatra ny daozin’ny fahatapahan-jiro manerana ny Nosy.

Card image cap
05-juil-2024

Efa hatrany am-piandohana no miasa ho an’ny vehivavy ny Jejoo le quotidien des femmes amin’ny alalan’ny

Card image cap
04-juil-2024

Tsipahin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara, lany tamin’ny anaran’ny vovonana politika,

Card image cap
04-juil-2024

Tena niaina tao anatin’ny hatsiaka tanteraka isika teto an-drenivohitra tato anatin’ny herinandro izao.

Card image cap
04-juil-2024

Taribin-jiro'ny orinasa Jirama sahabo 500 metatra, izay mamatsy herinaratra

Card image cap