airtel

Actualités

10-oct-2024

Valan-javaboarin’i Tsimbazaza

Misedra olana maro

Sample post image

Ny valan-javaboarin’i Tsimbazaza dia tsy toeram-pialan-tsasatra tsotra,

10-oct-2024

hoy ny avy eo anivon’ny INDRI na ny Paikadim-pampandrosoana sy fanarenana ny ekolojia sy manodidina azy. Tokony ho ivon-toerana fampianarana, fikarohana sy fiarovana izy ary toerana mampiseho ny harena voajanahary miavaka eto Madagasikara, hoy ny fanazavana. Misedra olana maro anefa ny toerana. Nitsidika ny toerana in-droa izahay tao anatin'ny herintaona. Marihina fa nisy fanatsarana sy ezaka fanarenana hita nandritra ny fitsidihana faharoa. Na izany aza, mbola betsaka ireo olana tsy voavaha. Ratsy ireo fotodrafitrasa. Efa tranainy ny tranom-biby ary betsaka ny varavarana harafesina izay mety hampidi-doza ho an’ny biby. Misy ihany koa ireo tranom-biby tsy misy na inona na inona. Mihidy tanteraka ny trano natokana ho an’ireo biby mivoaka amin’ny alina toy ny Aye-aye. Ankoatra izany, misy karazam-biby tsy mifanaraka amin’ireo famaritana eo amin’ny takelaka famantarana. Misy bitro, ohatra, ao amin’ny toerana natokana ho an’ireo karazana biby ahiana ho lany tamingana. Ankoatra izany, ny toe-pahasalaman’ireo biby sasany, indrindra ny varika, izay kely dia kely no sady manana volo simba, dia mampiseho fa mety tsy ampy ny sakafo na ny fikarakarana sahaza ho azy ireo. Tsara ny mahita fa misy fanavaozana atao, indrindra ny fanarenana ny Vivarium, izay tena ratsy efa taona maro izay. Na izany aza, mbola be dia be ny asa tokony atao hahatonga an'i Tsimbazaza hanara-penitra, amin’ny maha fananam-pirenena azy. Ireto manaraka ireto ny soso-kevitra avy aminay. Hamafisina ny maha valan-javaboary an’i Tsimbazaza, izay manan-tantara eto Antananarivo. Fantatra sy tiana hatramin'izay izy amin'ny maha foibem-pikarohana sy toerana fialam-boly ho an'ny rehetra. Ny “manèges” dia mety ho mahafinaritra saingy tsy tokony hanohina ny tanjon’ny valan-javaboahary amin’ny asa fanabeazana sy ny fiarovana ny karazana biby. Hatsangana ny fitantanana iarahana, miaraka amin’ny ministeran’ny tontolo Iainana sy ny ministeran’ny fampianarana ambony, mba hanamafisana ny ezaka fiarovana. Hatsaraina ny toekarena ara-bola ao an-toerana ary atao azo antoka fa ny vola rehetra azo avy amin'ny tapakila fidirana dia ho an'ny fampandrosoana azy, amin’ny fomba mangarahara. Hanokanana vola ny fanarenana ny fotodrafitrasa simba mba tsy ho very maina ny ezaka nataon'ireo olona nanohana hatramin’izay, toy ny mpamatsy vola, botanista, mpitsabo ary mpikaroka,…
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap