airtel

Actualités

09-juil-2024

Vaovao an-tsarin’ny TVM

Tantarain'i Fy Andrianarison anaty boky iray

Sample post image

Navoaka tamin'ny fomba ofisialy tetsy amin'ny Ivokolo Analakely ny boky nosoratan'i Fy Andrianarison

09-juil-2024

mitondra ny lohateny hoe " Le Journal Télévisé" de la TVM", na ny vaovao an-tsarin'ny Televiziona Malagasy.Nampoina Ranarivelo, tale jeneralin'ny ORTM no nanoratra ny teny fanolorana. Boky ahitana ny tantara niandohan'ny fahitalavitra teto Madagasikara sy ny Vaovao an-tsary voalohany tao amin'ny Televiziona Malagasy ny taona 1967. Boky natao hanampiana ny mpianatra te ho tonga mpanao gazety satria dia hita ao avokoa ireo dingana amin'ny fikirakirana ny vaovao manomboka any amin'ny "conférence de rédaction", ny teknika fanaovana "reportage", ny dingana arahina amin'ny "montage" hatrany amin'ny "diffusion". Boky natao ihany koa ho an'ny daholobe satria dia hita ao avokoa ireo "coulisse" na ny asa ao ambadikin'ny "écran" mialohan'ny ahatongavany any amin'ny mpijery. " Zava-dehibe ny fisian'ny boky vaovao toy izao satria mitondra haren-tsaina ho an'ny mpamaky azy. Zava-dehibe ho an'ny tanora te-ho mpanao gazety ity boky nosoratan'i Fy ity izay miresaka ny ati-vilanin'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny TVM sy ny eto Madagasikara." hoy i Fetra Rakotondrasoava Sekretera Jeneralin'ny Ministeran'ny Serasera sy Kolontsaina. 20 taona niasana tao amin'ny TVM i Fy Andrianarison izao namoaka ity boky ity izao hanampy ireo zandry sy zanaka te hiasa amin'ny haino aman-jery, ary mba hipetraka ho an'ny taranaka, hoy izy.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap