airtel

Actualités

04-sept-2024

Actualités

Very tsinjodia ny malagasy Maro ny fomba fiteny sy fihetsika hahafantarana izany

Sample post image

Maro ny fomba fiteny sy fihetsika hahafantarana fa very tsinjodia na "repères" ny malagasy

04-sept-2024

ary na ny mpanao gazety na ny mpitandro ny filaminana dia samy manao ilay fahadisoana avokoa, hoy ny fanehoan-kevitrana olompirenena iray omaly. Mpangalatra «à droite» ny fiara iray; fomba hilazany fa mandeha amin'ny ankavian-dalana ny fiarakodia iray raha tokony hizotra amin'ny sisiny havanana. Tsy fantatra ny fomba hilazany ny hoe "serrez à droite". Mandeha "sens unique", hilazany ny nitsofoka "sens interdit"zotra tsy azo aleha ilay fiarakodia. Mifangaro ao an-tsainy ny "tsy azo ijanonana" sy ny " tsy azo itoerana". Raha misy fiarakodia mijanona eo ambany takelaka "tsy azo ijanonana" dia jeren'ny polisy fotsiny. Toy izany koa ireo fiarakodia mijanona eny ambony tetezana. na anaty fiolanana. Lojika ny "arrêt bus" na fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka ao anaty ‘’croisement’’ na fiolanana. Misy amin'izy ireo aza eo anoloan'ny biraon'ny zandary sy kaominina mihitsy. Tsy olana mihitsy ny mijanona na mitoetra na manao "manœuvre" ao anaty sapanan-dalana. Rehefa mijanona ‘’STOP’’ ianao dia ‘’klaxonner‘’-n'ilay fiarakodia ao afara na ampanenoiny anjomara. Rehefa hivily ankavia ny fiarakodia iray dia famantarana hivily ankavanana no alefany. Rehefa hiantso olona any an-tranony izy dia «klaxon» no alefany na dia amin'ny 3 ora maraina aza fa tsy midina mampaneno «sonnerie» na kiriorioka. Miantso ny ao an-trano amin’ny finday. Tsy fantany intsony fa rehefa mandoa vola sy mandeha fiara fitateram-bahoaka izy dia misy tapakila raisiny rehefa avy mandoa vola izy. Ny fanjakàna ihany koa tsy mahafantatra intsony hoe inona no dikan'iny tapakila iny? Tsy misy polisy misava intsony ilay tapakila. Amin'ny ankapobeny, rehefa miresaka amin'ny olona iray ianao dia mifangaro ao an-tsainy ny voambolana rehetra. Kamo izy ny hieritreritra fa ianao no miezaka mametraka rafitra sy miteny ara-drafitra no lazainy fa adala sy ohatrin’ny olona tsy manan-katao, hoy hatrany ity fanehoan-kevitra ity.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap