airtel

Actualités

06-mars-2025

Vidin-tsolika

Niakatra hatrany ny gazoala, nidina ny lasantsy

Sample post image

Niakatra 80 Ar indray ny vidin’ny gazoala ka lasa 4.970 Ar ny litatra raha 4.890 Ar teo aloha.

06-mars-2025

Ny 18 janoary ny fanintsiana voalohany izay nisy fidinany 140Ar isaky ny litatra ka lasa 4760Ar, kinanjo niakatra 130Ar avy ny 5 febroary, ary mbola niampy 80Ar indray ny 5 martsa. Midika fa nanatombo 70Ar mitaha an’ilay vidiny tany am-piandohana nialohan’ny fampiharana ny fanintsiana mandeha ho azy ny vidin-tsolika. Ny solika fandrehitra (pétrole lampant) kosa dia niakatra 200 Ar, ka lasa 2.830 Ar ny litatra raha 2.630 Ar teo aloha. Nihena 180 Ar isaky ny litatra kosa ny vidin’ny lasantsy isaky ny litatra kosa ny vidin’ny lasantsy, ka vidiana 5.320 Ar ny litatra raha 5.500 Ar teo aloha, izany hoe nisy fihenana 580Ar raha niainga tamin’ny vidiny mbola tsy nisy fanintsiana nialohan’ny 18 febroary. Na izany aza, ny vidin’ny gazoala no heverina fa tena misy akony sy iainkinan’ny vidim-piainana satria any no tena ampiasain’ny mpitatitra na ny fitateram-bahoaka na ny fitaterana entana. Tsaroana tsara ny fampanantenana nataon’ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly taorian’ilay fidinana kely teo amin’ny gazoala roa volana latsaka izay, saingy tsy arakaraka izay ny zava-nisy. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny vidin-tsolika dia havaozina isam-bolana, araka ny fampiharana ny rafitra fanitsiana ho azy na «ajustement automatique de prix » nanomboka ny 18 janoary 2025. Ny fanitsiana faharoa dia natao ny 5 febroary lasa teo. Ireo fanitsiana ireo dia kajiana indrindra araka ny fiovaovan’ny vidin’ny barila amin’ny tsenam-pirenena sy ny tahan’ny dolara, izay vola ampiasaina amin’ny fividianana solika ho fampiharana ny fepetra napetraky ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) mba hahafahan’i Madagasikara mahazo fanampiana ara-bola ao anatin’ny Facilité Élargie de Crédit (FEC) sy ny Fonds pour la Résilience et la Durabilité (FRD).
Toky R

Une baisse de 180 Ar du prix du litre de l'essence est intervenue dans la nuit de mardi à mercredi.
L'essence se vend actuellement à 5.320 Ar le litre contre 5.500Ar auparavant.
Le litre du gasoil s'acquiert à présent à 4.970 Ar contre 4.890 Ar auparavant (hausse de 80 ariary).
Le pétrole lampant est désormais vendu à 2.830 Ar le litre contre 2.630Ar auparavant (hausse de 200 ariary).
Les prix du carburant seront réajustés tous les mois, depuis l'application du mécanisme d'ajustement automatique des prix du carburant le 18 janvier 2025. Un deuxième réajustement tarifaire était intervenu le 5 février dernier. Les réajustements sont calculés principalement selon le cours du baril sur le marché international, ainsi que le cours du dollar, la principale devise d'achat.
La mise en place du mécanisme d'ajustement automatique des prix du carburant est l'une des conditions exigées par le Fonds monétaire international (FMI) pour bénéficier des aides budgétaires dans le cadre de la Facilité élargie de crédit (FEC) et du Fonds pour la résilience et la durabilité (FRD).


Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa
06-févr-2025
hifanaraka amin'ny sandany eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Raha 5.700 Ar/l ny lasantsy teo aloha, dia nihena ho 5.500 Ar/L izany ankehitriny, izay nisy fidinany 200Ar isaky ny litatra. Hisy lanjany sy akony amin’ny vidim-piainana ve ? Tsy dia mampino ! Niverina niakatra ny gazoala ka raha 4.760 Ar/L teo aloha dia lasa 4.890Ar/L, izany hoe niverina amin’ilay 4900Ar teo aloha, taorian’ny fidinana kely ny 18 janoary teo nanaovana serasera nipoapopaka nilazana fa nahomby ny ezaka nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ny solika fandrehitra (pétrole) kosa dia lasa 2.630Ar/L raha 2.430Ar/L teo aloha. Manamafy ny Fanjakana fa fampiharana ny rafitra "Ajustement automatique des prix à la pompe" izao fiovaovan'ny vidin-tsolika izao, ka nilazan’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo Atoa Olivier Jean Baptiste, fa mila mizatra izany fiovaovana izany isika eto Madagasikara, manaraka ny vidin-tsolika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Tafiditra amin'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ao anatin'ireo fandaharan'asa fampandrosoana " Facilité Elargie de Crédit" (FEC) sy ny " Facilité pour la Résilience et la Durabilité" (FRD). Miezaka milalao sy mamboatra saim-bahoaka amin’izay mety hitranga ny Fanjakana, ka toa mampanahy hatrany ny hoe : fampitonitoniana mandalo ny fidinany, saingy te haneho fa tsy miankina aminy irery ka tokony hizatra. Tafiditra tamin’ny politika nananganana ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) ny novambra 2019 ny fanafarana solika izay nilazana fa mba hisorohana ny fakana tombony mihoampampana noho ny dingana maro samihafa miainga amin’ny mpanafatra, mpaninjara,... Tena nilana an’io ny solika na ny ampiasain’ny vahoaka na ny ho an’ny Jirama fa aiza izany izao ? Tsy sahy niatrika sy nifaninana tamin’ireo « pétroliers » ? Tsy nisy vola, nilalao saim-bahoaka, nampanantena poakaty…
TOKONY HIDINA HO AN’NY 2025…
Ny febroary 2024 tahaka izao, 83,5 dolara ny barila, niakatra 4,3% raha oharina amin’ny volana teo alohany. Ny volana mey 2024: nanomboka nihena ny vidiny noho ny fihenan’ny tinady tany Sina sy ny firoron’ny toekarena eran-tany. Ny desambra 2024 : nidina ho 73,8 dolara, fa nifanaraka tamin’izany ve ny teto na ekena aza fa nisy fidinany kely ny janoary sy febroary 2025 izao? 80 dolara isaky ny barila ny salan'isa ho an’ny 2024. Manodidina ny 75,40 dolara ny vidin’ny solika Brent amin’izao (5 Febroary 2025), izany hoe : latsaka 8% amin’ny tamin’ny febroary 2028. Hihena ve ary ve ny eto amin’ny volana manaraka ? Tombanan’ny Banky goavana JP Morgan mandinika ny tsenan’ny solika ho 73 dolara ny salan’isa ho an’ny 2025, raha 76 dolara kosa no vinavinan’ny Banky Amerikanina Goldman Sachs. Miankina amin’ny tolotra sy tinady, ny krizy ara-politika sy ara-jeopolitika maneran-tany, ary ny politikan’ny OPEP+ momba ny famokarana solika anefa ny vidin-tsolika. Matetika, tsy dia mifanalavitra loatra amin’ireo vinavina na izany aza. Ankehitriny, nangingina kokoa ny ady any Ukraine, niha nalefaka ny fifandonana any amin’ny Moyen Orient,… Asa izay ho fiovana, fa tokony ho latsaka be ny vidin-tsolika amin’ity taona ity raha ny lojikan’izay ka hanaraka izany ve ary ny eto Madagasikara sa hitohy ny filalaovana saim-bahoaka amin’ny 100 sy 200Ar?
Toky R

 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM

Card image cap
26-mars-2025

Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »

Card image cap
26-mars-2025

Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy

Card image cap
26-mars-2025

Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga

Card image cap
26-mars-2025

Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny

Card image cap
26-mars-2025

Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i

Card image cap