airtel

Actualités

15-nov-2024

Vidin’ny herinaratra miakatra 16% ho an’ny indostria

« Ezahana tsy hisy fiantraikany be amin’ny vidin’entana »

Sample post image

Eo ny olan’ny herinaratra izay efa nampitaraina ireo mpisehatra tsy miankina sy niantsoana vahaolana

15-nov-2024

fa isan’ny toe-javatra sedrain’izy ireo amin’izao fotoana izao ny fampiakarana ny saran’ny herinaratra ao anatin’ilay « Tarif Optima Business » ho an’ireo orinasa lehibe. Isan’ny nanontanian’ny mpanao gazety ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra Atoa Ralambofiringa David Herizo io omaly, ka nanehoany fa ho an’io Minisitera io izay miahy ireo sehatra tsy miankina dia tena mifampiresaka hatrany amin’ireo, ary tena fantatra misy fiantraikany ny fiakaran’ny vidin’ny herinaratra 16% izay efa tapaka tamin’ny filankevitry ny Minisitra. Tsapa ihany koa fa raha tsy manao an’izay dia hihasarotra ny raharaha eo anivon’ny Jirama sy ny famokarana herinaratra, fa rehefa miaraka tonga saina fa tsy maintsy hirosoana aloha izay, dia tsy maintsy miara-mamindra sy miara-miatrika, hoy izy. Misy kosa anefa ny fandaminana izay iarahana amin’ireo indostria, fa tsy maintsy misy ihany koa ny fijerena izay tsy hisian’ny fiantraikany be any amin’ny vidin’entana. Mety misy fa tsy hitovy amin’ilay fiakaran’ny vidin’ny herinaratra ilay fiantraikany sy zavatra hitranga any amin’ny vidin’entana, raha ny nambaran’io Minisitra io. Nanamafy kosa ny tenany, fa miara-miasa akaiky ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, ary nangatataka tantsoroka izy ireo, naroso ny vahaolana rehetra, naroso ny fiangaviana mba hahatongavan’ireo mpandraharaha tsy miankina sy mpisehatra indostrialy hiara-hiasa amin’izay zavatra hatao satria tena tsy vitan’ny Fanjakana irery ny fampandrosoana, ary raha ny sehatra tsy miankina irery tsy misy ny Fanjakana ho arofanina dia tsy hiroso ny Firenena.
TSY MAINTSY NY TENA LAHARAM-PAHAMEHANA ALOHA
Raha nanontaniana mikasika ny tsy maintsy nirosoana tamin’ny fampihenana ara-bola na « coupe budgétaire » sy ny anjara tantsoroky ny Minisitera tarihiny kosa io Minisitra io, dia naneho, fa fomba fijery hafa angamba no entin’ny Minisiteran’ny toekerarena sy ny vola. « Mila miatrika aloha ny zavatra tena laharam-pahamehana ho fitsinjovana ny famokarana herinaratra sy ny tetikasa momba amin’ny fanodinana ara-pambolana, ny famokarana vary izay tena foto-tsakafo. Tsy nataotao foana na « arbitraire » ny « coupe budgétaire » fa ny firenena tsy maintsy misitraka ny zavatra rehetra izay laharam-pahamehana ho an’ny Firenena », hoy ny Minisitra Ralambofiringa David Herizo. Ho an’ny Minisitera tarihiny, nofoanana daholo ny zavatra rehetra izay tsy manan-danja toy ny fetifety ho an’ny mpisam-panjakana satria ny laharam-pamamehana dia ny fitadiavana vahaolana momba ny jiro sy rano, famokarana sakafo, fandrindrana ny vidin’entana,… Misy ny tetikasa samihafa toy ny fampitaovana, ny fanofanana,… izay nahena saingy tsy natao hitenenana amin’ny minisitra sy ny ekipa rehetra fa tsy hiasa intsony, fa kosa natambatra ao anaty kitapom-bola iray angatahana isak’izay mila hoe : mila manao zavatra tahaka izao ny Minisitera ka azontsika atao ve ka mandresy lahatra ny Filoha sy ny Praiminisitra amin’ny fanatanterahana an’izany, raha ny fanazavany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-nov-2024

nisokatra ofisialy ny alatsinainy tolakandro teo ny taom-piotazana lodisia eto amintsika.

Card image cap
15-nov-2024

Zaza menavava iray lahikely no fantatra fa hita faty efa tsy nisy loha sy tanana intsony omaly

Card image cap
15-nov-2024

Efa tsy mandray ny andraikiny ny fitondram-panjakàna fa ny fiarahamonim-pirenena izay mandray

Card image cap
14-nov-2024

Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy nanomboka omaly 13 novambra 2024 ny tranokala vaovao What The Fact https://whatthefact.wearecid.mg,

Card image cap
14-nov-2024

amin’ny fanenana 80% ny delestazy eto Antananarivo

Card image cap
14-nov-2024

Mahazo vahana tanteraka ny hafanana amin’izao eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Card image cap