airtel

Actualités

05-août-2024

Vidin’ny teleferika

Ahafahana mahazo trakitera hamokarana 12 500

Sample post image

Trakitera vaovao miisa 28 miaraka amin’ny ireo kojakoja ilaina amin’ny fambolena

05-août-2024

no tonga ary noraisin’ny minisitra Ratohiarijaona Suzelin ara-pomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo. Ezahina hozaraina sy haparitaka manerarana ny faritra eto Madagasikara ireto fitaovam-pambolena ireto, raha ny seraseram-panjakana. Lazaina ao anatin’izany fa vina napetraka efa ela ny fanohanana ara-pitaovana moderina ho an’ny tantsaha ary izao tanteraka izao. Nambara fa manamaivana sy manamora ary manafaingana ny asa fambolena ny fampiasana ny fitaovana toy izao izay nandraindrain’ny tantsaha efa ela. Mandeha hatramin’ny fampahatsiahivana fa tamin’ny andron’ny Repoblika faharoa no nisongadina ny fiantohana trakitera ho an’ireo tantsaha voalohany avy tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny firenena sovietika. Ny fivondronana no niandraikitra izany, ary nisy fandraisana anjara avy amin’ny tantsaha ho fiantohana ny fandrindrana ny asa hiatohan’ireo trakitera ireo. Efa zava-dehibe aloha ny finiavana fa mijery ny famokarana amin’ny alalan’ny famatsiana fitaovana. Adino fa talohan’ny 2009 anie ka nisy trakitera andiany 800 teo nanjavona rehefa tonga ny fanonganam-panjakana. Trakitera efa niasa mo aizy ireto satria nambara lafo ny vaovao. Andao indray hanao kajikajy tsotsotra hoe manodidina ny 750 000 000 000Ar eo ny 153 tapitrisa dolara natontontona tamin’ny teleferika ka raha atao hoe : 60 000 000Ar ny vidin’ny traktera iray, dia mahazo traktera 12 500 isa izany ny vidin’ny teleferika. Tsara ny mampahatsiahy fa 1695 eo ny kaominina manerana ny Nosy, ka raha tsinjaraina isaky ny kaominina izany dia mahazo 7 avy eo. Dia anjaran’ny rehetra no misaintsaina hoe : tena manome lanja ny fambolena sy ny famokarana ve ny Fanjakana ? Tena mahay mifidy ny laharam-pahamehana ve ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap