irony asa tanana vita malagasy na fiantson’ny maro mahazatra amin’ny hoe «art malagasy» irony. Antony, raha ny fanazavàn’ny mpisehatra iray, dia tena lasa fitiavana sy fialamboly sisa no hamokarana sy hamarotana izany fa raha ny tombony dia tena tsy ahitàna. Maro ireo resy lahatra fa efa miha tsara sy kanto saingy tsy zakan’ny sarambaben’ny gasy kosa ny tombam-bidy sy vidin’ireny vokatra ireny. Lafo aminay mpamokatra koa anefa ny akora ampiasaina amin’ny fanamboarana azy itony, hoy ny mpamokatra iray. Ho an’ny tsena etsy Ambohitrimanjaka manokana dia zara fa 2 sy 3 isan’andro, raha be indrindra, eny fa na dia amin’ny fotoana tokony haha be ny mpizaha tany aza, hoy ny mpivarotra eny an-toerana, no mpitsidika tonga eny an-toerana isan’andro. Mazava ho azy fa 1 sy 2 toy izany ihany koa no manjifa ary na ireo teratany vahiny mandalo aza dia maro koa no zary lasa mpitsidika fotsiny, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny
Manizingizina sy manenjan-tsandry ny Fanjakana, fa eo amin'ny tanim-panjakana no nisy ireo trano
Nivory teto Antananarivo omaly 13 martsa ny IPAM na Ivom-Panajariana an’Antananarivo sy ny Manodidina,
Efa tena mihatra amin’ny ain’ny mpiasa taorian’ny COVID 19 ny fijaliana,
Hiditra an-tanety anio Zona 14 Martsa alina na rahampitso Sabotsy 15 Martsa
Nihena ho 65 isa raha voalaza ho 300 isa teo aloha ny trano tsy maintsy harodana