amin’ireo mpitrandraka madinika ao Mahajanga amin’izao fotoana izao. Misedra olana anefa izy ireo noho ny tsy fivoahan’ilay taratasy « autorisation d’exportation » hahafahan’iretsy voalohany manondrana ny vokatra mankany ivelany, andrasana eo anivon’ny Ministera tompon’andraikitra. Misy fiantraikany mivantana any amin’ireo mpandraharaha madinika izany. Tsy misy maka intsony mantsy ny vokatr’izy ireo nefa saika nihindram-bola tany amin’ny banky, nivaro-pananana…ny ankamaroan’izy ireo nidirana teo amin’izany sehatry ny fandraharahana ny hazan-dranomasina drakaka izany. Hatreto dia mbola manana tahiry vokatra drakaka 600 T ireo tera-tany Sinoa ireo, mihitsoka fotsiny anaty vata fampangatsiahana ao Mahajanga ao. Efa nisy moa raha ny fantatra ny fihaonan’ireto mpandraharaha madinika mpitrandraka drakaka ao Mahajanga ireto tamin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana saingy mbola nijanona ho resaka ambony latabatra fotsiny ihany izany. Miantso ny Ministera mba hirotsaka an-tsehatra mivantana amin’izay araka izany izy ireo hahafahana mitady ny vahaolana maharitra mikasika ny asa fandraharaha sahanin’izy ireo. Tsiahivina moa fa tamin’ny datin’ny 15 Desambra teo no nisokatra ny taom-panjonoana sy fivarotana drakaka.
Pati
Legende : Jerem-potsiny ny drakaka ao Mahajanga ao amin’izao !
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »
Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga
Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny
Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i