airtel

Actualités

18-sept-2023

VOKATRY NY FIALONANA

Nisy nanapoizina i Larissa rehefa nahazo vady vazaha ?

Sample post image

Mbola tena voninahitrabe ho an’ireo tovovavy any amin’ny faritra indrindra fa ao Toliara ao ny fahazoana vady vazaha.

18-sept-2023

Anisan’ny nitsikian’ny vintana tamin’izany i Larissa ilay tovovavy kely vao 25 taona monja raha misy. Nahazo vady vazaha antsoina hoe : Louis Rochefeuille ny anaovavy izay tera-tany Frantsay. Louis Rochefeuille . Ny 11 febroary lasa teo no nifaiky teo anoloan'ny fanjakana tao Toliara izy ireo fa ho mpivady mandrakizay. Ny 10 Septambra lasa teo anefa dia nanomboka narary i Larissa. Nihena be ny lanjany, ary matetika no nanao krizy sy nihinjitsinjitra izy. Notsaboina tao Toliara izy noho izy. Indrisy anefa fa nopaohan-drafahafatesana afak’omaly Sabotsy 16 Septambra ny anaovavy. Ny akanjo mariaziny noho izany no nosafidiam-badiny nampanaovina azy raha izay ihany koa no hafatry ny maty. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia nisy nanapoizina i Larissa, antony nitarika izao fahafatesany izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Lasa nandao ny tany i Larissa !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap