airtel

Actualités

08-août-2024

VOKATRY NY HASAROTAN’NY FIAINANA

Na mifandona aza dia mifanompa ny olona

Sample post image

Mikorontana tanteraka ny fiainan’ny mpiara-belona eny anivon’ny fiaraha-monina eny amin’izao.

08-août-2024

Toa zary lasa mizy krizy ny ankamaroany vokatry ny hasarotan’ny fiainana. Vao voadona kely fotsiny ny sasany any anaty taxibe dia efa manangam-bovona sy manabe sandry. Toraka izany koa ny eny an-dalana eny. Rehefa sendra maika iny ka misongona ny eo aloha dia efa lasa ady izany raha vao voakasika kely itsy voalohany. Ilay mifampijery tampoka moa dia tsy lazaina intsony. Maso sendra mifanojo dia hifamaliana sy hifanaovana vava tsy tapitra ka zary tsy hita taratra intsony ilay fihavanana Malagasy mandala ny fifanajana sy ny fifandeferana. Raha fehezina dia niova tanteraka ny fiainan’ny Malagasy, tranga tsy mbola nisy sy niainana tato anatin’ny 60 taona. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina psikology iray moa dia nambarany fa efa diso mavesatry ny adin-tsaina loatra ny olona amin’izao manoloana ny fiatrehana ny fiainana. Samy manana ny adiny ny tsirairay raha ny nambarany ary samy miezaka ny mitady vahaolana mifandraika amin’izany. Ny olana anefa hoy izy dia mbola misy zavatra kely tsy mifanaraka amin’ny saina ihany mifanehitra amin’iny fotoana iny antony mahatonga ilay ompa sy teny ratsy ary teny maharary tonga ho azy izay fomba iray entin’ny sasany hanehoana ny havesatry ny ao am-pony sy ny ao an-tsainy.
Pati
Legende : Mila olona manana saina tony sy manana fandeferana eny anivon’ny fiaraha-monina eny !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap