airtel

Actualités

28-mai-2024

Volamena miondrana an-tsokosoko

Mahatratra 1 taonina isam-bolana…

Sample post image

Raha nilaza ny Fanjakana tany am-boalohany fa afaka manondrona volamena 12 taona isan-taona amin’ny fomba

28-mai-2024

ara-dalàna, dia avy amin’ny antontam-baovao azo, saingy amin’izao dia manodidina ny 1 taonina isam-bolana no mivoaka amin’ny fomba tsy ara-dalàna, raha ny nambaran’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany Herindrainy Rakotomalala. Nilaza io minisitra io, raha ny tatitry ny fampahalalam-baovao, fa nandefa iraka tany Dubaï nifampiresaka mivantana tamin’ireo mpividy volamena. Io no anisan’ny mitarika any amin’ny fampiatoana na fisokafana amin’ny fanondranana volamena amin’ny fomba ara-dalàna, ary mbola nanamafisan’io Minisitra io fa tena betsaka ny volamena miondrana amin’ny fomba tsy ara-dalàna. Ny fifehezana ny morontsiraka izay mahatratra 5000km moa no nambara fa tena sarotra, ka isan’ny mahatafaporitsaka ireo harena an-kibon’ny tany miondrana antsokosoko amin’ny alalan’ny sambo, fa eo ihany koa ny an’habakabaka. Anisan’ny olana amin’ny fanaraha-maso ny sisin-tany ny ara-pitaovana, ka tokony hojerena akaiky ahafahana mampahomby ny ady amin’ny trafikana volamena antsokosoko, fa eo ihany koa ny fanamafisana ny fitrandrahana gaboraraka, raha ny nambaran’io Minisitra io. Nambara fa betsaka ireo toeram-pitrandrahana tsy ara-dalàna, raha ny sary hita amin’ny zanabolana. Misy ireo mampiasa fitaovana vaventy, ary misy ny mampiasa merkiora.Betsaka ny vola tsy miditra amin’ny Fanjakana. Raha toa anefa ka mahazo 2kg isan’andro dia mitentina 140 000 dolara satria manodidina ny 70 000 dolara ny kilao amin’izao. 60kg izany ao anatin’ny 1 volana, ka mahazo 4,2 tapitrisa dolara na 19 miliara Ar izany ny mpitrandraka volamena lehibe amin’ny fomba tsy ara-dalàna, raha ny nambaran’io Minisitra io. Nilaza fa tsy milavo lefona moa ny Minisitera eo anatrehan’ny ady amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna. Ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty no efa namoaka, fa 4,5 taonina eo ny volamena niondrana tsy ara-dalàna ny 2018-2023, ary 780 miliara ny vola tokony hiditra tamin’ny Fanjakana. Raha ity hoe : 1 taonina isam-bolana ity dia 12 taonina izany ao anatin’ny herintaona ary 60 taonina ao anatin’ny taom-piasana filoham-pirenena iray dimy taona, manome 4 200 000 000 dolara na 18 900 000 000 000Ar. Dia mila mandadilady mitady famatsiam-bola etsy sy eroa ve isika raha tena tsara tantana ny harenantsika ? Nahoana no tsy ampianarina ny Malagasy ampidirina ao anaty fandaharam-pianarana ny harenany tahaka itony ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap