ho an’ny alaina amin'ny ampahan-karama ambony (tranche supérieur de revenus) sy ny ampahan-karama antenantenany (tranche intermédiaire de revenus), raha ny voarakitry ny antontan-kevitry ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena mikasika an’i Madagasikara. Ny IRSA dia hetra amin'ny fidiram-bola avy amin'ny karama sy ny karama mitovy aminy, manampy amin'ny fitantanam-bola sy ny vola miditra amin'ny fanjakana. Hanatsarana ny fidiram-bola ato anatiny (recettes intérieures) ho an'ny Fanjakana Malagasy, ho an'ny fe-potoana 2024-2027 no voalaza ho anton'izany.Tafiditra amin’ny fepetra fahazoana ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) sy ny FRD (Facilité pour la Résilience et la Durabilité). Raha hiverenana, nangataka fifanarahana 36 volana amin'ny FEC izay ahafahana mahazo 105 % amin'ny fandraisana anjara (256,62 tapitrisa DTS) ny Mpitondra Malagasy. Ity fifanarahana ity dia voamarina amin'ny filàna hiarovana ny tahiry amin'ny vola vahiny izay satria araka ny vinavina, dia hitotongana hatrany amin’ny 4,7% ny fanafarana an’ireo filan’i Madagasikara ny taona 2027 raha tsy misy fanohanana avy amin'ny FMI, raha ny voarakitr’io antontan-kevitra io. Fifanarahana 36 volana kosa ny amin'ny FRD izay ahafahana mahazo 100 % amin'ny fandraisana anjaran’i Madagasikara (244,40 tapitrisa DTS) miaraka amin'ny fifanarahana amin'ny FEC. Ireo ilay manome 660 tapitrisa dolata eo, izay ao anatin’ny 3 taona, izay ireharehana ho fahatokisan’ny mpamatsy vola. Maro ny fepetra hahafahana misitraka an’ireo, ka mahatonga io karazana fampiakarana ny fampidiram-bola amin’ny Fanjakana hamolosana ny Malagasy io. Ankoatra io mantsy, dia betsaka ireo zavatra hafa mbola ho avy mety hisy fiantraikany goavana ara-tsosialy toy ny vidin-tsolika. Terena hofoanana tsikelikely ny fanohanana ara-bola na « subvention » amin’ny « pétroles lampants » ka tokony ho vita tanteraka amin’ny aprily 2026. Fampitoviana ny hetra na «droit d’accise »alaina amin’ny gazoala sy ny lasantsy io sy gazoala satria amin’izao dia mora kokoa ny hetra alaina amin’ny gazoala, ka mahatonga azy mora kokoa amin’izao, raha ny voafaritra. Hahitsy ihany koa ny « droit d’accise » amin’ireo vokatra anatiny toy ny toaka sy sigara, ary tahaka izany ihany koa ny taha ampiharina amin’ireo vokatra nafarana. Tsy maintsy mampihena ny fandaniana ara-ketra ny Fanjakana ka manodidina ny 3,2% amin’ny harin-karena faobe na 280 miliara Ar isan-taona eo isaky ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana,…
FANJAKANA MPANGARO-PAOSY ?
Miharihary ny maha banky ropitra ny Fanjakana Malagasy izay efa nampihena 3000 miliara Ar mahery ny tetibolam-panjakana 2024. Voatery mandadilady amin’ny mpamatsy vola mahazatra fa tsy araka ilay fomba firesak’i Andry Rajoelina tamin’ny 2018. Mba hahazoana vola hanetsinentsenana ny kitapombolam-panjakana avy amin’ny FMI, dia ny Malagasy no tsy maintsy hampahoriana sy volosana mivantana na ankolaka, hany ka toa lasa « Fitondrana mpangaro-paosy no misy eto, ary hiroso hangarom-bilany indray», araka ny hiran’i Sareraka. Ekena fa adidy ny mandoa hetra fa manao ahoana ny fampiasana azy sy ny tamberiny ? Misy Fanjakana tsara tantana ve eto ? Ny fandanindaniam-poana mirarakopana, ny fahaiza-mijery ny laharam-pahamehana tsy misy fa mbola zavatra tsy mamorona harena no hitrosana an-jatony tapitrisa dolara raha tsy hilaza afatsy ny teleferika. Henjana ny zava-misy satria ny vahoaka rahonana handoa 5% mihoatra rehefa faktiora raha tara, ny delestazy mitombo, ny famokarana mihena, ny karamany hakana IRSA 25%, ny solika hiakatra, ny vidim-piainana midangana, ny sandam-bola mitotongana,… Ny tamberin’andraikitra tsy misy !
Toky R
Sary fanehoana : Ny vidim-piainana mampikolay, ny hakarina ny hetram-bahoaka, ny tamberin’andraikitra tsy tsapa
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA