airtel

Actualités

28-mai-2024

Vovonana Firaisankina

« Any anaty latsa-bato no hanasaziana ny Fanjakana jadona »

Sample post image

Nisaotra ny vahoaka Malagasy niaina am-pilaminana ny fampielezan-kevitra ny Firaisankinan’ny Malagasy na teo aza

28-mai-2024

ny fihantsiana sy fandikandalana nataon’ny mpitondra. Maro ny ambaran’izy ireo fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana, tsy voahaja ny tsy fitanilan’ny Fanjakana sy ny fitovian-jon’ny kandida rehetra, nampiasaina ny fahefam-panjakana, volam-panjakana, mpiasam-panjakana sy volam-panjakana entina hampandaniana ireo kandidan’ny fitondrana. Nohorohoroina ny kandida avy amin’ny fanoherana, ary ny tena loza dia ny mpitondra ambony izay nihaniana hanaja ny lalàmpanorenana sy tokony ho maodely no lohalaharana amin’ny fandikana ireo lalàna velona, hoy i Marc Ravalomanana. Niantso ny vahoaka izay masi-mandidy sy tompon’ny fahefana hanasazy ireo mpandika lalàna ka tsy hampindrana fahefana azy ireo amin’ny alalan’ny fifidianana intsony ny Vovonana Firaisankina. Efa nisy ny fihaonana sy fametrahana taratasy natao teny amin’ny CENI mba hisian’ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny fandikan-dalàna, ka niantso io rafitra io handray ny fepetra rehetra hisorohana ny teti-dratsy sy hala-bato ary ny hosoka izay nambaran’ity vovonana ity fa efa homanina ankehitriny. Miantso ny CENI haneho fomba fiasa mangaraharaha. Miverina eo am-pelantanan’ny vahoaka ny fahefafana feno mamaritra ny ho avy, ka miantso ny Malagasy ho tonga maro hanefa ny adidy feno ho an’ny firenena noho izany io vovonana io, ka niantso ny hanasaziana ny fanjakana jadona sy tsy mahomby ary mampahantra ny firenena any anaty latsa-bato ity vovonana ity. Nanentana ny rehetra ho mailo ka hanaraka tsara ny safidiny amin’ny fanaraha-maso ny voka-pifidianana, niantso ny solontenan’ny kandida hanara-maso tsara eny anivon’ny SRMV sy ny CENI. « Nitety an’i Madagasikara izahay, ary tena nahita ireo herisetra sy fandikan-dalàna samihafa, ka inona mihitsy no tian’ny fitondrana hahatongavana ? Horavana ve ny fifidianana sa inona no mampatahotra anareo ? Izany no hanaovanay antso avo ho an’ny kandidan’ny Firaisankina sy ny eo anivon’ny fanoherana rehetra fa tsy mendrika an’izany intsony ny Malagasy sy Madagasikara fa aleo handeha ny safidim-bahoaka, ary entanina ny vahoaka ho saro-piaro amin’ny safidiny, ampy izay ny fanambakana sy fangalarana, ka fotoana izao ha noherantsika izany », hoy kosa i Rivo Rakotovao. Raha toa ka mikiribiby ireo mieritreritra fa tsy refesi-mandidy dia anjarantsika no mandray ny andraikitra tandrify antsika, hoy hatrany izy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap