airtel

Actualités

12-juin-2024

ZAZAKELY 18 VOLANA NAOLAN-DRAINY

Nangataka raharaham-pihavanana ny havan’ilay Rangahy

Sample post image

Zazavavikely iray vao 18 volana monja no fantatra fa nanamparan-dRainy niteraka azy

12-juin-2024

ny filan-dratsiny tao amin’ny Fokontany Marofody kaominina ambanivohitra Ambinaninogny,Distrikan'i Brickaville ny Sabotsy 08 Jona lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Raha araka ny fantatra dia tsy tao an-trano fa nandeha nitoto vary tany amina tanana iray teo akaiky ny Renin’ity zaza tsy manan-tsiny ity. Niverina tampoka anefa ilay Ramatoa ka mbola tratra teo ambonin’ilay zaza teo am-panaovana ny filan-dratsiny ilay tsy mataho-tody. Norahonan'io lehilahy io ny renin'ilay zaza mba tsy hiteny tamin’iza na tamin’iza no sady nodarohany saingy nanohitra ihany. Afaka nitondra ny ilay menaky ny ainy nitsoaka tany Ambatobe ilay Ramatoa noho izany ary nentiny namonjy CSB2 tao Ambinaninogny ilay zaza avy eo. Nandray ny andraikiny avy hatrany moa ny ,Rtoa Rogation Marie Nicole Ben’ny tanana ao an-toerana raha vantany nahare izany, ka noentina nanohy ny fitsaboana aty Toamasina ilay zaza. Izy ihany koa no nitondra ny raharaha eny amin'ny Mpitandro ny Filaminana ankehitriny. Manao antso avo amin'ny ambaratongam-pahefana ihany koa ny tenany mba hiara-hifanampy amin'ny fikarakarana ilay zaza satria sahirana ny Reniny. Karohin'ny Fokonolona fatratra ny nahavanon-doza izay marihina fa arovan’ny fianakaviany,ary efa nangataka raharaham-pihavanana izy ireo fa tsy nety ny Ramatoa.
Pati
Legende : Ahitana zavatra maro hafahafa eto Brickaville !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap