airtel

Actualités

23-août-2023

Zazavao 4000 isan-taona no ampidirina

Ny 1000 ihany no lasa miaramila raikitra

Sample post image

Notantosaina tetsy amin’ny Cercle Mess Soanierana omaly talata 22 Aogositra 2023, ny fanokafana ny atrikasa handinihana ny fomba rehetra hanatsarana ny hoavin’ireo

23-août-2023

tanora nahavita fanompoam-pirenena, aorian’ny fiatrehana ny raharaha miaramila eo anivon’ny Tafika Malagasy, araka ny fampahafantarana nataon’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Ny Fitaleavana misahana ny Fanompoam-pirenena sy ny Fiandry (DSNGR) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena no mikarakara izany. Araka ny tombana dia betsaka amin’ireo tanora no tsy manana anton’asa hivoarana amin’ny fiainana aorian’ny fanompoam-pirenena. Zazavao miisa 4000 eo ho eo isan-taona no ampidirina hiantseharatra ao anatin’ny tontolo miaramila, saingy 1 000 eo ihany no tena lasa miaramila raikitra. Hisy ny famelarana ny fiaraha-miasa amin’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo Minisitera izay voakasika, hahatanteraka ity tetik’asa ity, hoy ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena, nandritra ny lahateniny. Hivoitra ao anatin’ny roa andro araka izany, ny ho tohin’izao atrikasa izao, hahazoana vokatra miabo hampihenana ny tahan’ny tsy fananana asa eto Madagasikara, hoy harany ny fampitam-baovao.
Nangonin’I Toky R

 

 

 

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap