nisy nisy nifofo ny ain’ny Filoham-pirenena Amerikanina teo aloha sady kandidan’ny Antoko Repoblikanina. Nandritra ny fampielezan-kevitra tany Pennsylvanie ny sabotsy 13 jolay teo tamin’ny 6ora sy 15 minitra hariva no nirefodrefotra ny poa-basy izay in-tsivy nirefotra. Voa tao anatin’izany ny sofin’i Donald Trump havanana, ary nijininika ny ra, saingy mbola nahavita namokona ny totondriny sy nanakana izany izy, teo am-panavotan’ny mpiambina ny ainy, avy teo ambony pilopitra. Olona iray no matin’ilay tifitra, ary 2 hafa naratra. Avy eny ambony tafo, eo amin'ny 120m, miala ny toerana misy ny mpikabary no nitifitra an'i Donald Trump ny mpitifitra, ary teny koa no maty voatifitry ny « agents secrets ». Thomas Mathiew Crooks, tovolahy vao 20 taona ity nitifitra ity, mpikambana ao anatin’ny Antoko Repoblikanina ihany, ary azo atao hoe zanaka an-trano ity tovolahy ity Anaty ny lisitry ny mpifidin'ny antoko repoblikana, mahiran-tsaina tokoa satria nahazo mari-pahaizana fankasitrahana manokana momba ny matematika sy ny siansa izy ny taona 2021. Mandeha ny fanadihadiana, ary nanamafy ny sampam-pitsikilovana Amerikanina FBI (Federal Bureau of Investigation) fa fikasana hamono ho faty an'i Donald Trump ity nitranga tany Pennsylvanie ity. Nanameloka izao herisetra izao ny filoha Joe Biden izay efa niresaka an-telefaonina tamin'i Donald Trump ary nirary soa azy. Tsara ambina ary tsy misy atahorana kosa ny ain’i Donald Trump. Raha mampahatsiahy ny tantara, dia efa nisy nitifitra ihany koa ny taona 1933 tany Califorine, ny Filoha Amerikanina Franklin Roosvelt. Matin’ny tifitra teo amin’ny faha-35 taonany ny 22 novambra 1963 ny Filoha Amerikana John Fitzgerald Kennedy. In-droa saika hisy hamono ny Filoha Gerald Ford ny taona 1975 fa tsy maty. Ny taona 30 martsa 1981 ihany koa dia nisy nitifitra ny Filoha Ronald Reagan rehefa nivoaka ny Hotely Carlton tao Wahsinhgton, ka naratra mafy, 12 andro tany amin’ny Hopitaly. Efa tsy Filoha intsony kosa ity an’i Donald Trump ity, fa mialohan’ny fifidianana. I Donald Trump izay tsara toerana hatreto, indrindra eo anatrehan’ny fihevahevan’ny demokraty. Mafampana any Etazonia !
Toky R