airtel

Any Ivelany

01-juil-2024

Fifidianana depiote Frantsay

Vizana ny antokon’ny Fitondrana…

Sample post image

Niroso tamin’ny fifidianana solombavambahoaka fihodinana voalohany mialohan’ny fotoana ny Frantsay omaly 30 jona 2024 noho

01-juil-2024

ny maha efa tsy maneho ny fironan’ny vahoaka intsony ny antenimierampirenena izay noravan’ny Filoham-pirenena Emmanuel Macron. Omaly ihany dia efa fantatra amin’ny ankampobeny ny vokatra, ka ny RN na Rassemblement National no mitarika 34% amin'ny safidim-bahoaka, raha toa ka 28,3% ho an'ny « Nouveau Front populaire », ary 20,3% kosa ho an'ny antokon’ny fitondrana ankehitriny tarihin’nyEmmanuel Macron. Tombanana hahazo maro an'isa kokoa na mety ho maro an'isa tanteraka araka ny vinavina telo momba ny isan'ny seza ny RN. Na izany izany aza, ny antoko ankavanana mpiaro ny nentin-drazana Les Républicains (LR), izay nahazo manodidina ny 10% amin'ny vato tamin'ny fihodinana voalohany, dia nandà ny hiantso ny mpifidy azy mba tsy hifidy ny RN amin'ny fihodinana faharoa. Anisan’ireo kandida ny Filoha teo aloha François Hollande, izay laharana voalohany nahazo salan’isa 37,63% tamin’ny fihodinana voalohany tany amin’ny faritr’i Corrèze, ary hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny 7 jolay mazava ho azy. Miova tanteraka izany ny sary sy fifandanjan-kery ara-politika any Lafrantsa satria nahazo aina ny antokon-dry Marine Le Pen izay nodimbiasan’i Jordan Bardella. Laharana faharoa hatrany izy ireo tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena nifanandrinana tamin’i Emmanuel Macron. Betsaka ireo teboka tsy nananan’ny vahoaka fitokisana firy intsony ny Fanjakana Macron, toy ny resaka fandriampahalemana izay ny 74% tamin’ny Frantsay no tsy afa-po raha ny valin’ny fanadihadiana 2 volana lasa izay. Toa variana tany amin’ny politika Eoropeanina, ady,… Ao anatiny anefa, mihena ny fahefa-mividin’ny Frantsay, ary betsaka ireo olana ara-tsosialy, ary isan’ny nanamarika an’i Lafrantsa ny grevin’ny « Gilets Jaunes », ny lalàna momba ny fisotroan-dronono izay nifanenjanana, ny grevin’ny mpamboly, ny olan’ny fitaterana,… Nahazo aina tao anatin’ny fitantanan’i Jordan Bardella ny RN, ary ity farany izany no mety ho lasa Praiminisitra aoriana kely, kanefa vao tamin’ity taona ity no nanendry ny Praiminisitra vaovao dia i Gabriel Attal ny Filoham-pirenena Emmanuel Macron. I Jordan Bardella izay efa nanipy teny sahady omaly, fa ho Praiminisitry ny Frantsay rehetra. Tsy tahaka ny aty amintsika ny fifidianana any ivelany tahaka itony ka hitsimbadika ambony ambany ka heverina fa tsy dia hivaona loatra amin’ny fihodinana voalohany ny faharoa. Mendrika hakana lesona, mba tsy ho zary fandaniam-potoana sy fitsangatsanganana fotsiny ireny dia makany ivelany ireny. Toerana filoha lefitra faha-7 ho an’ny mpanohitra tao amin’ny Antenimierampirenena aza nanahirana sy tsy nety tafapetraka. Asehon’ny vahoaka any anaty latsa-bato ny tsy fahatokisany intsony ny fitondrana, saingy ny antsika ny adihevitra mbola mijanonana any amin’ny hala-bato, hosoka, fandikan-dalàna, fanitsakitsahana lalàmpanorenana,…
Toky R
 

Dans la même rubrique