airtel

Any Ivelany

14-août-2023

Any Ivelany

Raharaham-pifidianana Tsy hita taratra ilay hoe madio sy mangarahara

Sample post image

Efa ao anatin’ny “pré-campagne” isika izao, fotoana hanaovana Kongresin’ny Antoko, hanaovana fampahafantarana momba ny vinam-piarahamonina,

14-août-2023

hanambarana ny maha kandida satria efa nivoaka ny 11 jolay ny didim-panjakana fanaikana ny mpifidy. Henjana anefa ny fanohintohinana sy sakantsakana ara-politika samihafa ary ny fampihorohoroana na “intimidation” mandeha amin’izao fotoana izao ho an’ireo kandida na mety ho kandida tsy mpiara-dia amin’ny fitondrana ankehitriny.Vao aty amin’ny “pré-campagne” ve dia izany no mitranga ka fifidianana madio sy milamina ary handraisan’ny rehetra anjara tokoa ve ilay tiana hatao eto? Henjana ny fampiasana ny fahefam-panjakana, fitaovam-panjakana, volam-panjakana ho amin’ny tombotsoa politika, raha tarafina amin’ny fizarazaran-javatra, ny fampiasana ireo solontenam-panjakana tahaka ny Prefe sy Lehiben’ny distrika, ny hetraketraka,… Voahaja ve ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana milaza fa tsy tokony hiandany amin’ny politika ny fitantanan-draharaham-panjakan? Efa nilaza ny Filohan’ny Sendikan’ny Adminisitera sivily na ny SYNAD mba hanatsaharana ny sakantsakana politika fa tokony hitovy ny rehetra ka hohenoina ve?
Toky R 

Dans la même rubrique