airtel

Any Ivelany

04-oct-2024

Tafaverina amin’i Maurice ireo Nosy Chagos

Nampanginina tamin’ny teleferika trosa ny Iles Eparses?

Sample post image

Nanoratra tantara ny Maorisianina! Nankatoavin’i Royaume-Uni ny famerenana ny Vondron’ny nosy Chagos

04-oct-2024

izay nifanolanana tamin-dry zareo tao anatin’ny 60 taona. Nambara ofisialy omaly ny fankatoavan’i Royaume-Uni ny hamerenana ny Iles Chagos izay nosy kely eo amin’ny 60 isa manana velarana 60km2 eo aty amin’ny fari-dranomasina Indianina amin’i Maurice, rehefa nandeha ny dingana maro, toy ny fandinihana teo anivon’ny Filankevitry ny Firenena Mikambana ny taona 2017, niakatra teo anivon’ny Cour international de justice ny taona 2018. Nahazo rariny fa mbola tsy nety tafaverina, ka nitohy tamin’ny fifampidinihana ara-diplaomatika maro samihafa. Vokany, tanteraka ny fifanarahana manan-tantara niarahan’ny governemanta roa tonta, hiverina hisitraka ny Nosiny sy afaka hamerina mponina ao ny Maorisianina. Ny nosy Diego Garcia sisa no fehezin’ny Britanika noho izy misy ny tobim-pamaharana iarahan’izy ireo amin’ny Amerikanina, araka ny fifanarahan’ny tany roa tonta. Efa dingana lehibe, ary fahombiazan’ny diplaomasia Maorisianina io. Mitovitovy amin’io ny raharaha Iles Eparses ifanolanantsika amin’ny Frantsay, saingy kabary politika no betsaka ho an’ny mpitondra Malagasy. Nampanatenaina fa ho azo ny 26 jona 2020 fotoana nanamarihana ny faha-60 taona nahazoana ny fahaleovantena. Tao anatin’ny krizin’ny coronavirus indray no nilazan’i Andry Rajoelina tamin’ny fampahalalam-baovao Frantsay ny volana mey 2020 fa fitakiana famerenana no atao fa tsy fiaraha-mitantana, izay narahin’ny fihetsiketsehan’ireo depiote IRD sady niredona hiram-pitolomana no nisotro CVO fa mby aiza ? Na volavolan-dalàna iray teo anivon’ny antenimierampirenena ny hamadihana ireo Nosy ho faritra faha-23 araka ny tolo-kevitra samihafa tamin’izany aza tsy nisy. Dia nisy ny valin-kafatr’i Emmanuel Macron nakany amin’ny Nosy Glorieuses niteny an’ilay hoe : « Ici, c’est la France » saingy nipirina ny mpitondra. Nandeha ny fandanian’ny Frantsay namadika ireo Nosy ho tahiry ara-boajanahary fa tsy nahaloa-bava ny mpitondra Malagasy. Ny fifampidinihana nambara fa nihemotra lava, ary ilay komity iraisana aza mety efa rava ny tsena. Amin’ny fomba ahoana tokoa moa no hahafahan’ny Frantsay mitondra an’i Madagasikara hiteny ny filohany sy ny mpitondra azy hoe : avereno amin’ny Malagasy ny taniny ? Mbola azo inoana ve hoe : ny Fanjakana Rajoelina no antenaina tena hiady mahitsy ireo Nosy Malagasy sy hahita vokatra ? Sanatrian’ny vava tokoa ve ka ny teleferika izay trosa mitentina 151 tapitrisa Euros hefaina am-polo taonany sy ny fifanarahana na fanohanana samihafa mety tsy dia misy fiaintraikany amin’ny Malagasy no mampikom-bava ny Mpitondra ?
Toky R

 

Dans la même rubrique