airtel

Any Ivelany

05-juil-2023

Any Ivelany

Voatery tsy ho kandida i Macky Sall Hanao ahoana ny momba an-dRajoelina ?

Sample post image

Nanambara ofisialy ny tsy haha kandida hofidiana ho filoham-pirenena Sénégalais intsony ny Filoha am-perinasa Macky Sall, araka ny fanambarana nataony ny 3 jolay teo.

05-juil-2023

Ny 25 febroary 2024 izao moa no hifidy filoham-pirenena vaovao ity firenena isan’ireo zanatany Frantsay fahiny ity. « Nandray izay fanapahan-kevitra izay aho rehefa nandinika lalina, tsy ho kandida. Izay no izy, na dia mbola omen’ny lalàmpanorenana fahafahana aza aho”, hoy I Macky Sall. Ny aprily 2012 no tonga teo amin’ny fitondrana I Macky Sall, ary nisy ny fikitihana lalàmpanorenana nataony ny taona 2016 nentina nampihenana ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena 7 taona ho 5 taona, izay nikendrena ny fahafahany mirotsaka fanintelony. “Tena tsy azo leferina ny fikendren’I Macky Sall ny hirotsaka sy hitondra fanintelony araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana”, hoy ny Praiminisitra teo aloha Rtoa Aminata Touré. Nangotraka ny fanoherana sy fihetsiketsehana tany Sénégal, ka namoahan’ny fitondrana didy famonjana 2 taona sazy mihatra I Ousmane Sonko, nenjehina ho nanao kolikoly, saingy vao mainka nirehitra ny afo tany amin’ny fiandohan’ny volana jona satria tonga hatrany amin’ny fidinanana an-dalambe sy famotehan-javatra, tahaka ny fandorana fiara sy fananana maro, namoizana ain’olona am-polony mihitsy,... Nangotraka ny toe-draharaha politika tao Sénégal, ary vao mainka mety hanamafy ny sakoroka politika ny ny firotsahan’I Macky Sall, ka nanapahany hevitra tsy hirotsaka ho fitandroana ny filaminana. Tsy ho afaka hirotsaka anefa Ousmane Sonko noho ny fanamelohana ara-pitsarana, ka mety ho mora amin’ny olon’I Macky Sall ny handresy, raha ny tombatombana ara-politika any an-toerana. Nisy ihany koa ny kazarana fandresen-dahatra iraisam-pirenena ara-jeopolitika natao tamin’I Macky Sall mba tsy hanao taom-piasana fanintelony, ka anisany ny Frantsay tamin’ny alalan’ny filohany Emmanuel Macron, ny Amerikanina tarihin’ny Filohany Joe Biden ka ny Filoha teo aloha Barack Obama no voalaza fa natao nifampiresaka tamin’I Macky Sall. Ara-jeopolitika, saika mikorontana avokoa ny ankamaroan’ireo tany firenena ao anatin’ny CEDEAO (Communauté économique des Etats d'Afrique de l'Ouest) ka heverina fa mailo amin’io ny tandrefana. Mitsoaka ny rivotra politikan’ny Rosianina amin’ny alalan’ny Wagner, Popov, ny sinoa, mahazo aina ny fanjakana islamika,… Efa nikorontana i Burkina Faso, Mali, Guinée-Bissau,… ka ho mora ny fisosohan’ireo raha hikorontana ihany koa i Sénégal.

HANAO AHOANA NY ETO MADAGASIKARA ?
Asa hanao ahoana ny eto Madagasikara ? Stratejika be ho an’ny tombotsoan’ny Tandrefana indrindra fa i Lafrantsa isika. Ankoatra ny fifamatorana ara-politika sy tantara, dia eo ihany koa ny fisian’ny antsoina hoe: “zone d’influence” an’ny Frantsay amintsika sy ireo manodidina, ny fisian’ny “territoire française ultra-marin” sy ireo departemanta Frantsay aty amin’ny ranomasina Indianina, ny harena aty Afrika,... ka mahasarotiny azy amin’ireo mety ho mpifaninana na mpifanandrina ara-jeopolitika aminy tahaka ny Rosianina sy ny sinoa. Tsy tongatonga ho azy ny ho hahatongavan’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay Rtoa Catherine Colonna eto ny 07 jolay izao, ary heverina fa mety hamaritra ny hoavy politikan’ny Fanjakana Rajoelina n any politika ankampobeny eto Madagasikara. Hanao randran-tarihina aty amintsika ve io sary politika miseho ao Sénégal io noho ny toe-draharaha politika mafana toa itovizana amin’izao mialohan’ny fifidianana izao? Hanaja tena sy hisafidy ny hivoaka amin’ny varavaram-be tahaka an’I Macky Sall ve ny Filoha Rajoelina sa hanamafy ny hambo-po politika mety hanaovana sorona ny firenena hatrany? Toky R
 

Dans la même rubrique