iray mpisotro toaka nanaiky niresaka tamin’ny Gazety Tia Tanindrazana. Nambarany fa marary izy raha vao tsy misotro toaka isan’andro. Aleony misotro toy izay mihinana. Nizara ny tontolo androny taminay Rafrah.
Hoviana Rafrah no nanomboka nisotro toaka dia inona no tena nahasarika anao hisotro ?
Dimy taona teo izao no nisotroako toaka. Niainga tamin’ny andrakandrana niaraka tamin’ny namana nanariana sorisorin-tsaina ilay izy. Maty tampoka mantsy ny vadiko tamin’izany nefa ny zanako vao 2 taona dia tena niasa mafy ny saiko. Ny toaka no mba nanariako dia vokatr’izany nefa izao tsy mety afaka izao intsony aho.
Tsy nisy fiantraikany tamin’ny asa ve izany dia aiza foana Rafrah no mahita toaka sotroina isan’andro ?
Mbola any amin’ny namako ihany. Toaka mihitsy no nandroahan’ny mpampiasa ahy tamin’ny asako, 2 taona taorian’ny nahafatesam-badiko. Vao mainka navesatra mantsy ny adin-tsaiko, ilay zanako rahateo nalain’ny dadabe sy ny bebeny nipetraka tany aminy. Tsy maintsy misafo poste ( bara) aho isa-maraina dia vao mahita ny iray amin-dry zalahy dia maka kely.
Dia ahoana rehefa tena tsy mahita toaka, efa niady na novonoin’ny olona ve ?
Ohatra ny marary izany. Vahobahotra avokoa ny vatana iray manontolo no sady mangovitra. Dia marary koa ny vavony. Dia aleo misotro ihany. Ny ahy izao aleoko misotro toaka kely toy izay mihinam-bary na lasopy. Raha vao misy olona mba manome volakely ahy dia aleoko misotro toy izay mividy vary. Toaka 1.000 Ar isan’andro eo mantsy dia efa ampy ahy. Ieh efa novonoin’ny olona tany anaty bara aho. Tsy tadidiko ilay izy fa ilay lohako efa vaky no nentina nozairina tany amin’ny hopitaly. Dia efa bataina matetika eny an-dalana koa fa diso mamo loatra.
Tsy vonona ny hiova na hiasa intsony izany Rafrah, dia ahoana ny handaniana ny tontolo andro ?
Tsy mahita asa intsony aho vokatr’ilay toaka. Miezaka miala ihany fa tena tsy mety afaka. Vao maraina aho dia efa mitanin’andro dia mandehandeha eny an-tsena avy eo mijery bara sao misy namana. Indraindray hariva eny ny andro moa indraindray tsy mahita namana dia mikarama mibata entana. Mahazo 500 Ar na 1000 Ar eo zaho dia misotro toaka dia mody avy eo. Indraindray mihinam-bary ihany fa marary le vavony.
Pati
Legende : Lasa miankin-doha amin’ny toaka ny ankamaroan’ny Malagasy !