airtel

Dossier

08-janv-2025

Ny tontolo andron'i....

FARASOA, MPIVAROTRA AMORON-DALANA Mifoha amin’ny 03 ora maraina isan’andro maka entana

Sample post image

Tsy mora ny miatrika ny fiainana indrindra rehefa manana ankohonana velomina sy ahiana.

08-janv-2025

Ho an’ireny mpivarotra amoron-dalana ireny ohatra dia fantatra fa mifoha amin’ny 03 ora maraina izy ireny isan’andro maka entana eny Anosibe. Tsy hay intsony na ho faty hovonoin’ny mpanao ratsy na tsia fa miaina ka miaina. Ny tena anefa vehivavy kely Renim-pianakaviana. Nanaiky nitantara ny mikasika izany taminay i Farasoa mpivarotra amoron-dalana iray.
Hafiriana izay no nanaovanao io asa io dia mahavelona ihany ve ?
Efa 4 taona izao no nanaovako asa io. Efa nivarotra legioma aho taloha dia nivadika voankazo indray amin’izao. Tsy hita izay mahavelona fa rehefa mahita ny sakafo hohanina isan’andro dia efa ampy. Sakafo tsy mahafa-po koa anefa fa hitazoman’aina fotsiny.
Ohatrinona no vola hampiasainao isan’andro dia ohatrinona no mba tombony hividianana sakafo amin’izany ?
Fahiny nampiasa 30.000 Ar aho. Amin’izao lasa 20.000 Ar sisa fa tratran’iny fety nifanesy teo iny dia lany ny mason-karena ( sady mihomehy). 5.000 Ar eo ho eo ny tombony azoko amin’izany hialan’ny saran-dalana hitondrana ny entana sy ny saran-dalako amin’ny maraina. Io 5.000 Ar io no tsinjaraina isan’andro mba hividianana sakafo. Vary 2 kapoaka, laoka 2.000 Ar ary saribao ny 1.000 Ar.
Ahoana ny hofantranon’olona sy ny saram-pianaran’ny mpianatra amin’izany ?
Anjaran’ny vadiko no mitady ny hofantranon’olona. Rehefa tena tsy mahita izy vao mifameno eo izahay mivady. 30.000 Ar isam-bolana no hofantranonay. Ny mpianatra indray any amin’ny sekolim-panjakana avokoa izy mianadahy no mianatra.
Dia ahoana raha sanatria ka marary na tsy mahalafo mihitsy ?
Ankinina amin’Andriamanitra ny fahasalamana. Tsy mba manana vola manokana hitsaboana tena izany izahay rehefa marary. Raha tena mividy aza dia paracetamol kely eny amin’ny episeria sy amoxy. Rehefa tsy mahalafo indray dia ny mason-karena no hakana kely saingy tsy maintsy vary 1 kapoaka ihany ohatra. Mijanona tsy maka entana ihany koa fa ireo ambiny ihany no hamidy ny ampitso raha tsy simba na lo.
Ahoana ny fiatrehana ny tontolo andro, mba misy fotoana hodiana aloha ihany ve ?
Eny an-tsena foana mandritra ny tontolo andro. Rehefa mba tsara tsena ihany vao afaka mody aloha. Indraindray ihany anefa izany fa tsy matetika. Eny an-tsena no mihinana sakafo atoandro izay misy eny raha mahita. Eny an-tsena koa no mitady toeram-pivoahana raha poritra ( sady mihomehy)…. Na faran’ny herinandro aza mbola mivarotra foana izahay ankoatra ny Alahady hariva.
Pati
Legende : Asa mamelona olona maro ny asa fivarotana amoron-dalana !

 

Dans la même rubrique