airtel

Edito

30-mai-2023

Edito

Ahoana no tsy hitsikerana ?

Sample post image

Isaky ny misy fihetsiketsehana hataon’ilay filoham-pirenena Malagasy na ny fitondrana tantanany moa amin’izao fotoana izao dia lazain’ireo mpanaradia azy ireo fa ahitan’ilay malagasy tsikera foana.

30-mai-2023

Mba efa nisy fivoarana aloha izany iny fomba fijery iray iny, raha ny hita ny faran’ny herinandro teo, satria mba efa mahatsapa izany ny mpiaradia sasany amin’ny filoham-pirenena fa tsy ny mpanohitra irery intsony no fatra-pitsikera ny fomba fitantanana eto fa efa ilay malagasy mandinika ny toe-draharaha miseho ankehitriny mihitsy. Ahoana no fomba tsy hitsikerana ny fitondrana manoloana ny afitsoky ny JIRAMA izay lazaina fa vatsiana 1000 miliara Ariary iasany mandritry ny taona? Ahoana no tsy hitsikerana ny fitondrana manoloana ny mbola fisiana kere sy ny firongatry ny tsy fandriampahalemana manerana ny nosy? Ianao milaza sy mirehareha fa nahavita fotodrafitrasa maro ho an’ny tanora nefa dia taranja miisa 12 be izao no voatery nesorina tao anatin’ilay lalaon’ny nosy izay hidongiana mbola atao eto ihany satria hoe tsy ampy ny fotodrafitrasa. Firifiry ny fampanantenana tsy tanteraka teto? Tanamasoandro, Flyover, lalambe migodana, lalana ho atao eny amin’ny lanitra angamba sisa tsy notononina. Aiza daholo izany izao izany nefa ny nampanantenaina dia hoe ny tsy vitan’ny teo aloha rehetra tao anatin’ny 60 taona ho ataon’ity fitondrana ity anatin’ny 5 taona? Dia tsy tokony ho tsikera ve no andrasana betsaka amina fomba fitantanana toy izany? Iny izao ny faran’ny herinandron’ny pantekosta. Betsaka ny zava-nitranga fa ny niavaka indrindra moa izany dia ny hoe nahazo «6éme Dan» amin’ny Karate ilay filoham-pirenena saingy maninona, hono, no natao tsakin’ady anaty tambazotran-tserasera nefa i Poutine «9éme Dan» Judo tsy misy miteny? Fa manao ahoana moa ny toekarena ao Rosia na dia atao hoe tany miady aza ny ao dia manao ahoana ny eto nefa sady tsy misy ady no lazaina fa mandeha araka ny tokony ho izy ny fitantanana? Tsy ho tanisaina lavabe fa andeha fintinina amin’ny hoe mandeha ny karazana endrika «people» amin’ilay fiantson’ny vahiny azy ataon’ilay filoham-pirenena sy ny vadiny na izy sy ny ankohonany mihitsy izao dia isaky ny misy mitsikera izany dia mandeha hatrany koa ny fampitahana hoe fa maninona ry Macron na ry Biden no tsy tsikeraina? Atao ahoana moa no hampiray zotra fomba fijery amin’ny mpitondra firenena lohalaharana amin’ny fandrosoana ara-toekarena eto ambonin’ny tany sy ny mpitondra aty amin’ny firenena isan’ny farany mahantra indrindra izay efa hitosahana vahaolana saika isan’andro ihany nefa toa tsy mety mampihatra izany mihitsy ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-déc-2024

ny filoham-pirenena na ireo mpanaradia sasany izao fitondràna izao! Samy gaga

Card image cap