airtel

Edito

02-oct-2024

Ampy izay !

Mihazakazaka haingana dia haingana ny fahapotehan’ny firenena

Sample post image

iray rehefa ny mpitondra no tsy mahalala izay tena mahasoa ny vahoaka,

02-oct-2024

kanefa minia mikipy sy minia tsy mihaino. Mihazakazaka ny fahalovana faharavana rehefa ny olom-pirenena no mitazam-potsiny sy miraviravy tànana eo anatrehan’ny mpitondra tsy mahomby sy tsy manaiky ho diso fa manao izay saim-pantany. Moa mifankaiza amin’izany ny zava-misy sy miseho eto ankehitriny ? Ny vahoaka miha malemy, hatao izay tsy hahafahany mikofoka, fa manaiky tsy sazoka izay rehetra miseho eo, fa na efa efa hitam-poko hitam-pirenena izao aza ny famotehana ankitsirano an’i Madagasikara. Potika sy rotika ny Air Madagascar noho ny fitantanana tsy manjary fa mangina isika, milentika ao anaty lavaka ny orinasa Jirama saingy mimenomenona isika dia migrevy ny ampahan’olona dia vita eo, miondrana ny volamena tsy toko tsy forohana hahafahana manarina ny toekarena raha tsara tantana dia samy mihainohaino eo ny valalabemandry, miha mitotongana ambony ny sandam-bola Malagasy fa tsy mba misy taitra intsony,… Atao izay fomba rehetra hahanginan’ny Malagasy, hatao izay tsy handraisany andraikitra, hipetraka sy hanaiky na efa mahita miharihary ny famotehana mivantana na ankolaka ny fireneny,… Dia io iaraha-mahita sy iaraha-miaina io fa miha mitotongana hatrany ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana, hany ka malalaka ny fanararaotana tahaka ny banga mihomehy alina amin’ny fanodinkodinana safidim-bahoaka. Tambatambazana amin’ny fanomezana lasa miendrika poizina sy fandrika na « cadeau empoisonné » rehefa amin’ny fotoam-pifidianana, dia roboka indray ! Fotoana kosa angamba izao hifohazan’ny Malagasy, fotoana izao hijoroana fa tena olom-pirenena mandray andraikitra, fotoana izao handresena ny fanabadoana sy fanambakana politika lava ! Ampy izay ny miraviravy tànana sy mitazam-potsiny fahapotehan’ny Firenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap