airtel

Edito

29-oct-2010

Edito

Ao raha …

29-oct-2010

Taorian’ny fampiantsoana ny mpanao gazety nataon’ireo tomponandraikitra voalohany avy ao amin’ny foloalindahy sy ny polisim-pirenena dia lasa ihany ny saina ny amin’ny hoe dia fanazavana sy fanadiovan-tena ary famonoan’afo noho ny tsaho fotsiny ve no atao sa ahoana ? Nilaza mazava mantsy ny jeneraly Lucien Rakotoarimasy ministry ny fiarovam-pirenena fa tsy misy mihitsy izany fikotrehana fanonganam-panjakana ataon’ny foloalindahy izany, ary diso ihany koa ny filazana fa manodinkodim-bola ireo manamboninahitra ambony hanaovany trano. Voatonotonona tamin’ilay raharaha fampidirana mersenera vahiny malaza amin’ny fanonganam-panjakana ihany koa ny ministry ny filaminana anatiny koa dia niaro tena avy hatrany ary nilaza ho tsy mahalala na inona na inona mikasika io raharaha io raha tsy teny Ambohitsorohitra.

Tao anatin’ny herinandro no nitrangan’izany rehetra izany, saingy tsy vao izao kosa anefa no nandrenesana ny siosion-dresaka momba ny lonilony eo anivon’ny tafika sy ny fikasana hanongam-panjakana fa efa hatry ny ela. Efa maromaro ihany koa ireo anarana olona ambony na sivily io na miaramila, mpanao politika, voatonontonona amin’izany raharaha izany. Nisy mihitsy aza ny namoahana didy fampisamborana (indray) kanefa tsy mbola voasambotra hatramin’izao. Ny sasany etsy ankilan’izay mitaky ny hamoahana haingana ny famotsoran-keloka, raha tsy izany, hono, dia hametra-pialana izy ! Alaim-panahy ny olon-tsotra hieritreritra fa tena misy zavatra tsy milamina marina eto ary tsy voafehin’ny FAT mihitsy ny raharaha. Ao koa no maminavina fa mety efa tafiditra ao amin’ny paikady politikan’ny sasany hanozongozonana ny fitondrana FAT ireo kazarana savorovoro etsy sy eroa ireo.

Rehefa be loatra anefa ny manjavozavo, ny tsaho sy ny honohono dia ho sarotra ihany ny hanavaka ny vary sy ny tsiparifary. Fa na marina ireny, na tsy mitombona dia mazava aloha ny resaka fa mbola anaty krizy i Madagasikara ary tsy vitan’i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy ny mamoaka ny vahaolana mahomby amin’izany. Tadidy eto foana ny tenin’ny mpandinika iray hoe ny fahakingan-tsaina hiomana amin’izay mety hitranga no atao hoe mitantana firenena, ary ny mpitondra tena mahiratra dia mahita vahaolana foana fa tsy faly mitanisa ny olana sy manilika ny rihatra any amin’ny hafa. Ka asa aloha hoe hanao ahoana indray ny ho tohin’ny raharaham-pirenena manomboka eto, ho raikitra ihany ve ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra, ho avy amin’ny herinandro ambony io ihany ve ny filoha Ratsiraka, ary firy andro aoriany no mety ho tonga ny filoha Ravalomanana ? Fa mandra-piandry izany aloha dia mitohy ihany ny propagandin’ny mpanohana ny ENY tsy misalasala mitokana zava-bita ihany koa ireo manampahefana, ampiasaina hanao fampielezan-kevitra ny fiaram-panjakana, lasa tsena sarotra mampiady ny mpiara-monina ny Tsena Mora, ary toa mbola mitohy ihany ny fanondranana ny «bois de rose». Mety ho marina ihany ny filazana fa misy ny miezaka ny manakorontana, fa tsy izay foana kosa angamba no atao fialana bala amin’ny tsy fahafehezan’ireo tompon’andraikitra sasany ny asany e ! Ny olona koa tsy hoe mahay mamorona be tahaka ny inona ka hahita ho lazaina foana, fa tena tsy adala mihitsy ny Ntaolo nilaza hoe : ny vy tsy mikitrana irery, ary ny hitsikitsika tsy mandihy foana, fa ao .. raha !

RTT

Dans la mĂŞme rubrique

23-août-2024

entin’ireto nohirahiraina tao anatin’ny 40 andro mahery

Card image cap
22-août-2024

efapolo andro mahery. Ny fitsanganan’ny governemanta no tiana holazaina eto.

Card image cap