airtel

Edito

07-oct-2024

Aoka izay ny fanararaotana ny fahalemem-bahoaka!

Efa tafiditra ao anatin’ny hazakazaky ny fifidianana ben’ny tanàna

Sample post image

izay isan’ny tena manakaiky vahoaka indrindra isika amin’izao, na mbola tsy ao anatin’ny vanim-potoanan’ny propagandy aza.

07-oct-2024

Samy manana ny paikady heveriny fa hahombiazana ny mpanao politika sy ny kandida. Somary mahazendana ihany anefa ny endrika fanjonoana sy fanararaotana vahoaka amin’ny endriny samihafa. Fomba fiady ny fizarazarana zavatra ka vidiana amin’ny koveta na fanomezana tsy dia mankaiza ny safidin’ny olona. Ny fividianana safidim-bahoaka ankolaka iny, fa miharatsy ihany ny fomba satria mandeha hatramin’ny fanangonana karapanondro sy kara-pifidianana, izay manomboka mandeha ny ampamoaka eto Antananarivo sy manodidina saingy heverina fa tsy eto ihany io. Ny fampiasana vola tsy toko tsy forohana sy fizarana vola, ny tetikasa fitserana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia misy mijapy ara-politika amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Tena potehina tanteraka ny politika sy ny fifidianana eto, ka ny herin’ny vola no ezahana handresena ny fahamarinana sy ny foto-kevitra ary ny vina heverina fa hahomby hitondra fandrosoana. Zary lasa bizina politika ny fifidianana ka toa tadiavin’ny sasany hakana tombony, handomana tapany ny vahoaka handoavany erany. Misy ny antoko na mpanao politika tena mivelyb aponga amin’ny mety ho fahaleman’ny vahoaka satria mora raviravizana vola. Ao ny manararaotra an’izany mba hanehoana fa akaiky sy miasa ho an’ny vahoaka. Misy ihany koa anefa ny manana vina sy vahaolana mahitsy, mety tsotra, kanefa mahomby, ka anjaran’ny Malagasy no manokatra ny masony, mba tsy hoviraviraina lava amin’ny fanomezana misy poizina na « cadeau empoisonné » lava rehefa misy fifidianana satria vidian-dafo an-taonany ny fahadisoan’ny safidy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap