airtel

Edito

09-août-2024

Araraotina amin’ny

fahendreny sy fahalemeny

Sample post image

Tena mitombina tokoa ilay fanasokajiana fa firenena faharoa milamina sy tony indrindra aty Atsimon’i

09-août-2024

Sahara i Madagasikara, raha tarafina amin’ny fiaretan’ny vahoaka Malagasy ny zava-misy. Tena tony sy milamine ve anefa isika rehefa tena jerena lemena sy hampanginina amin’ny alalan’ny tsindrihazolena ? Raha ny rotorotom-piainana sy ny fahantrana aloha, dia maneho fa tsy tony sy tsy misy fiadanan-tsaina ny Malagasy, fa tena difotry ny fitadiavana ny hoanina anio karohana rahampitso. Zary tonga amin’ilay hoe : « Razanamaria sy ny zanany ka samy mitady izay hohaniny » ny mpitondra sy ny vahoaka, hany ka ny mpitondra tokony hiahy sy hitsinjo ary hanampy azy indray no io fa manao izay fomba rehetra hangaronana sy hakana ny kely ananan’ny vahoaka io. Sanatria toa efa lasa fanjakam-boalavo ka samy mikepoka izay azony ? Ny faktioran’ny jirama tovanana 5% ny saram-pandoavana azy, kanefa ny angovo hoenti-mampandeha ny fiharian-karena olana mandavan-taona. Natao daholo izao ala bala sy serasera marivo tototra izao hany ka hatramin’ny vorona sy papango rivotra lalaovin’ny ankizy aza no nanilihana ny tsy fahombiazana. Dia io indray koa fa mbola haronina amin’ny fampiakaran-ketra volosana amin’ny karama ny mpiasa Malagasy. Asa mba inona sy mankaiza ny tamberin’ireny ? Efa tena vonoina ankolaka ny Malagasy, rangitina hitroatra,… saingy difotra ao anaty fahasahiranana ka mihari-pery na marary aza. Dia hararaotina tanteraka ka efa difotra mbola hitsahina hilentika ihany ! Ny fanadihadiana sy fandalinana no namoaka sy namaritra fa ny fomba sy politika roa isan’ny hahafahana mampangina io vahoaka io dia na izy atao maty noana na izy atao maty voky ka anjaran’ny tsirairay no mandinika hoe : ny inona amin’ireo no zava-misy amin’izao ? Tena mbola valalabemandry hatrany aloha isika hatreto fa asa hoe : rahoviana ihany re vao tena ho valalabemifoha ka ho sahy hamadika ny pejin’ny fampahantrana manara-penitra e !?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap