airtel

Edito

20-juin-2024

EDITO Ampoizo ny mety hitranga !

Samy miandry izay higadonany ny rehetra eo amin’ny mety ho

Sample post image

valim-pifidianana ofisialy avoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.

20-juin-2024

Hivaona sa tsy hivaona sy tsy hifanalavitra amin’ny navoakan’ny vaomieram-pifidianana ? Hisy fiovam-penitra sa hiverina ny azo raisina fa tsy mitombina amin’ny endriny hafa ? Dia samy miandry eo, saingy tsy manakivy ny mpanao politika, indrindra fa ny avy amin’ny fanoherana fa toa mahakely finoana ihany ny hoe : dia tena hivaona be amin’ny navoakan’ny CENI ny an’ny HCC satria toa ho lasa fanamafisana fa tsy voafehin’itsy rafitra voalohany ny fifidianana fa tena nanjakan’ny hosoka, hala-bato, tsy fahamarinana,… Volana vitsy izay no nahenoana ilay hoe : hikapoka mafy ho an’ireo izay mandika lalàna, mampiasa ny fahefam-panjakana sy fananam-panjakana ary volam-panjakana,… Ho hitan’ny mason’ny haraton’ny HCC ve ireo fandikan-dalàna maro lafy mifandraika amin’izany, izay ny filoham-pirenena nosoran’izy ireo vao 6 volana lasa no tratry ny mpandika lalàna voalohany raha ny fiampangan’ireo kandida avy amin’ny fanoherana eny fa ny tsy miankina aza. Mila tsiahivina ve fa tany amin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo no efa nisy ny fitoriana maro lafy matevina dia matevina na nialoha na nandritra na taorian’ny fifidianana fa tsipaka am-bavafo no valiny sy setriny ? Azo heritreretina sy inoana ve ohatra, fa ilay HCC izay vao avy nampanonganana ilay Filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha no handeha hanome rariny azy ara-pitsarana sy hanosotra azy ho depiote indray na dia ekena aza fa olon’ny lalàna mety tsy atoro voanjo adiana amin’ny fitoriana sy fanaporofoana ny fandikan-dalàna aza ity farany ? Moa tsy manam-pahaizana sy sangany amin’ny resaka lalàna no nandrafitra an’ireny fitoriana ireny raha tsy hilaza afatsy ny resaka raharaha zom-pirenena, fa dia tena nomeny ny mody mitapy, araka ny fitenin’ny tanora ? Asa re, efa mety voarefiny ny toetra amam-pihetsiky ny mpanao politika sy ny vahoaka ka ampitomboiny hatrany ny daozin’ny fandranitana sy fihantsiana politika. Efa fantany fa mimenomenona kely eo ny Malagasy na inona na inona handalan’ny mpitondra, na hitombo 99% aza ny tahan’ny fahantrana noho ny tsy fahaiza-mitantana, na hidangana avo 200 heny aza ny vidim-piainana,… Efa fantany fa karazana fanambarana am-bava sy sesilany hatrany no re avy amin’ireo antoko sy herivelona politika maro, dia tsy mampihetsi-bolomaso azy. Sanatrian’ny vava tsy mitaona hoe : andana hoento eny ambony akalana hovonoin’ny manam-basy tsara tamby hiaro fanjakana ny vahoaka, fa mila mandinika sy mijery fomba matihanina sy mahomby hanoherana ny efa tsy azo ekena intsony ny herivelona samihafa fa raha izao no mbola hitohy 5 taona dia asa re ! Tena mila manova paikady, ary tena ny fitiavan-tanindrazana no tokony hibaiko e !
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap